Laron-tsakafo

Efa anjato taona no nampiasana karazana laro amin’ny sakafo. Ny sira ohatra dia nampiasaina hitehirizana hena sy trondro; ny episy samihafa mampatsiro sy manome hanitra ny sakafo; ny siramamy dia nampisaina hitehirizana voankazo sns. Eo andanininy, ny mpanjifa ankehitriny dia mitaky sy mankafy sakafo matsiro, mahasalama, azo antoka, mora hita, mampilendalenda, ary taka-bidy. Eo ankilany, ny fandrosoana eo amin’ny fifehezana ny haitao, ny fisokafana amin’ny vazan-tany efatra, ary ny fivoaran’ny fifandraisan’ny olona amin’ny sakafo dia ahafahana mampiasa karazana laro samihafa ahazoana manome ireo fitakian'ny mpanjifa ireo.

Misy ihany anefa ahiahy, indrindra amin’ny fahasalamana, eo amin’ireo laro izay tsy mahazatra loatra ny anarany fa toa miendrika akora simika loatra. Raha ny marina anefa ny raha rehetra dia manana mpiorina sy rafitra simika avokoa ary azo aseho amin’ny fomba simika ihany koa. Mahazatra kokoa ohatra ny mampiasa sira noho ny hoe klôriorana sôdiôma na dia raha iray ihany aza ireo.  

Raha faritana amin’ny ankapobeny ny laron-tsakafo dia izay raha rehetra afangaro mivantana na ankolaka amin’ny sakafo na zava-pisotro teo amin’ny fanamboarana, fitehirizana ary ny famonosana azy. Ny laro mivantana resahana eto dia ireo izay niniana natao mba ahavitana tanjona mazava. 

Ny laron-tsakafo dia avy amin’ny haitao sy ny traikefa ary natao mba ahantontosa tanjona iray na maromaro. Mety ho fanampiana otrikaina ny sakafo izany, na fanatsarana ny fitehirizana sakafo, na fanatsarana ny lokony sy ny endriny, na fampitomboana ny tsirony, na koa fampihenana ny fiovana vokatry ny fifampikasoana amin’ny ôksizena (ôksidasiona), sns.

Ny laron-tsakafo dia mety ho raha natoraly (sira, dipoavatra, vinaingitra etc.) na koa namboarina manokana tamin’ny fomba simika na fandravonana hafa.

Na dia kely fatra aza ny laron-tsakafo ampiasaina dia tombanana sy arahina maso ny fampiasana azy mba hisorohana izay mety ho traika ratsy eo amin’ny fahasalamana. Misy fenitra araka izany napetraka amin’ny fampiasana laron-tsakafo ary tsy maintsy lazaina amin’ny etikety izay laro ao anatiny. Tsy misy kosa anefa fandidiana amin’ny filazana izay fatrany.

Nosokajiana araka ny asany ny laron-tsakafo ary ireto ny sokajy lehibe indrindra:

Manampy otrikaina

Laro manampy na mitazona otrikaina amin’ny sakafo na zava-pisotro. Ohatra, ny iôda amin’ny sira sy ny vitamin D amin’ny ronono ary ny vitamina C amin’ny ranomboankazo ohatra dia manampy miady amin’ny tsy fahampian’ny otrikaina vokatry ny tsy fahampian-tsakafo.

Mampitambatra sy mampitombona (emulsifiers, stabilizers)

Betsaka ny sakafo misy rano sy menaka izay akora tsy mety mifangaro ary mila akora fahatelo mampifangaro azy. Ny laro mampitambatra dia mampiombona sy mampifandray ny karazana akora tsy mety miaraka, ary mitazona ilay fangaro ho toy ny ranoray na ny toetra fizika izany na koa ny loko sy ny endriny.  

Ahitana ity laro ity ny ohatra ny maiônezy, lasaosy vinangitra, sy ny gilasy. Ny laro fampiasa matetika dia ny lesitina (E322).

Mampisondrotra sy manatevina (thickeners),

Laro ampiasaina amin’ny sakafo tiana arihitra. Mihamarihitra ny sakafo nasiana laro vita avy amin’ny gliosida, toy ny seliolôzy E464 ohatra, rehefa mafana ka mibontsina ny tavolo ao anatiny ary tazoniny ny rano amin’ilay sakafo. Mitombo rihitra sy tevina araka izany ny sakafo laroina azy, ary omena bika ihany koa. 

Ahitana ity karazana laro ity ny saosy sy ny krema, ny mofomamy sy ny laron-dasopy.

Mampitambatra (gelling agents)

Laro ampiasaina amin’ny sakafo tiana ho madinty.  Mitovitovy asa amin’ny laro teo ambony saingy levonina ao anaty ranoka indray kosa ity laro ity ka mampiraikitra izay raha manodidina azy. Mitombo araka izany ny hadintiny ary mahazo ilay toetra mora kirakiraina sy omena endrika.

Ahitana ity karazana laro ity ny sakafo toy ny kaonfitira sy ny gilasy. Ny laro fampiasa matetika dia ny karagenana (E407) sy ny pektina (E440).

Miaro tsy hitambongana (anti-caking agents

Ny sakafo miendrika vovoka sy graniola dia mora mandray hamandoana ka mety mivaingambaingana, ary lasa sarotra ampiasaina sy tehirizina. Ny laro ampiasaina dia misakana ny hamandoana tsy hipetraka ami’ny raha fototr’ilay sakafo ka miaro azy tsy hivaingambaingana.

Ahitana ity laro ity ny sira fametraka eny an-databatra sy ny lalivay, ary ny vovoka laron-dasopy. Ny laro fampiasa matetika dia ny diôksidana silikôna (E551) sy ny silikatina kalsiôma (E552)

Manampy amin’ny fitehirizana (preservatives)

Miaro ny fisiana na fiforonan’ny mikrô-organisma toy ny bakteria, izay mitarika fahasimbana toy ny bobongolo sy fahalovana mety miteraka poizina ho an’ny fahasalamana. 

Ireo antsoina hoe antioxidants dia misakana ny sakafo matavy na misy menaka tsy ho ratsy tsiro na hamofona rehefa tehirizina, ary misakana ny voankazo voavaofy tsy hiova loko rehefa tratry ny rivotra. Ny fampiasa matetika ny nitritana sôdiôma (E250) sy ny asidra askôrbika (E300).  

Mampitombo tsiro sy manome tsiro mamy (flavor-enhancers, sweetener)

Tsy manova tsiro akory ny laro mampitombo tsiro fa mampitombo ny fahatsapan’ny taova ny tsiro sy hanitra eo amin’ny sakafo laroina aminy. Ny fantatra indrindra dia ny mônôsôdiôma gliotamaty na vetsin. Ampiasaina koa anefa ny disôdiôma ganilata (E627) sy ny disôdiôma inôsinata (E631).

Ny fantatra indrindra amin'ny laro manome tsiro mamy kosa nefa tsy misy siramamy dia ny aspartame.    


Monosodium Glutamate (MSG) na vetsin - E621

Fantatra mahazatra amin’ny anarana hoe vetsin ny MSG, ary nolovaina tamin’ny Ve-Tsin izay anaram-barotra nomen’ny orinasa Tien Chu Ve-Tsin Chemical Limited mpamboatra azy.  Fiantso azy koa ny Ajinomoto vokarin’ny orinasa Ajinomoto Co., Inc.

Ny MSG dia sira sôdikan’ny asidra gliotamika, izay akora natoraly hita amin’ny voatabia, frômazy, ovy, holatra, ronono ary ny legioma sy voankazo hafa. Tany amin’ny taona 1908 no nandravonana voalohany ny asidra gliotamika ho laron-tsakafo. Raha notsoahina avy amin’ny prôteina natoraly tamin’ny ahidrano na sôzaha ny MSG tany amboalohany dia avy amin’ny fanotrehana voafehy kosa ny fanamboarana azy ankehitriny.

  • Ao anatin’ny sokajy “mampitombo tsiro” ny vetsin ary efa zato taona mahery ny nampiasana azy ampisondrotra ny tsiron-tsakafo, indrindra any Azia. Notondroin’ny tany tandrefana ho tompon’andraikitra amin’ny antsoina hoe “Chinese Restaurant Syndrome”(*) ny MSG kanefa maro ny andrana efa natao fa tsy mbola nahazoana milaza fa ny MSG no fototry ny olana.

    Laro azo lazaina fa mitovy laharana amin'ny sira ny fampiasana azy amin'ny sakafo any Azia atsinanana, na any an-tokantrano io na sakafo eny an-dalana na koa any amin'ny trano fisakafoanana lehibe.

Ny fandalinana sy andrana siantifika maro dia milaza fa tsy misy atahorana ho an’ny fahasalamana ny fampiasana vetsin amin’ny sakafo rehefa voalanjalanja. Ny Food and Drug Administration (FDA), masoivoho amerikana miahy ny sakafo sy ny fanafody, dia misokajy ny vetsin ho azo antoka (Generally Recognized As Safe – GRAS). Toy izany koa ny European Food Safety Authority (EFSA) izay nanome ny eva E621 ho an’ny vetsin eo amin’ny fenitra momba ny laron-tsakafo.

Raha misy kosa anefa tsy mahazaka na miahiahy ny vetsin dia aleo misoroka na manatona mpitsabo.


(*) Tany amin’ny taona 1968 no nisy tatitra voalohany momba ny seho tsy metimety amin’ny tena rehefa avy nihinana sakafo sinoa, ary nantsoina mandraka androany hoe Chinese Restaurant Syndrome . Misy karazany ny tatitra ka ao ny milaza marary andoha, fanina, faharariana any amin’ny tratra, fahatsembohana tsy amin’antony, fahamaizana manodidina ny molotra sns. Nolazaina fa ny MSG na vetsin amin’ilay sakafo sinoa no antony. Maro ny fikarohana sy fandalinana natao fa tsy mbola misy porofo siantifika milaza fa izany tokoa. Ny mahagaga koa dia izay tsy sinoa ihany no voa …  

Aspartame - E951

Ny aspartame dia akora artifisialy manana tsiro mamy ary mitondra kalôria malefaka. Lazaina fa mamy avo 200 heny noho ny siramamy ny aspartame raha lanja mitovy. Tany amin’ny fiandohan’ny taona 80 no nahazo alalana ny fampiasana aspartame amin’ny vokatra ho an’ny mpanjifa ary nampitondraina ny eva E951 eo amin’ny fenitra eoropeana.

Isan’ny akora fampiasa asolo ny siramamy araka izany nyaspartame, indrindra eo amin’ny zavam-pisotro atao hoe “maivana” sy kely kalôria. Tombony hafa azo avy amin’ny fampiasana aspartame dia noho izy tsy misy siramamy ka tsy mivadika ho asidra mikiky ny akanjo-nify. Ny siligaoma mampiasa aspartame ohatra dia tsy atahorana hanimba nify ary mety hanalana fofona ao anaty vava. Tsy mitondra gliosida ihany koa ny aspartame ka tsy atahorana hampitombo ny glisemia eo amin’ny olona misy diabety.

  • Isan’ny akora fampiasa asolo ny siramamy araka izany nyaspartame, indrindra eo amin’ny zavam-pisotro atao hoe “maivana” sy kely kalôria. Tombony hafa azo avy amin’ny fampiasana aspartame dia noho izy tsy misy siramamy ka tsy mivadika ho asidra mikiky ny akanjo-nify. Ny siligaoma mampiasa aspartame ohatra dia tsy atahorana hanimba nify ary mety hanalana fofona ao anaty vava. Tsy mitondra gliosida ihany koa ny aspartame ka tsy atahorana hampitombo ny glisemia eo amin’ny olona misy diabety.

    Maro ny fandalinana sy fikarohana natao amin’izay mety ho fiantraikan’ny aspartame eo amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Tamin’ny taona 2013 dia namoaka ny vokatry ny fandalinana sy ny fanombanana feno momba ny ahiahy mikasika ny fampiasana aspartame ny EFSA, izay milaza fa azo antoka ny fampiasana aspartame sy izay akora avy aminy eo amin’ny mpanjifa, isan’izany ny zaza sy ny ankizy ary ny vehivavy bevohoka.

Ny fepetra napetraka amin’ny fatra isan’andro 40mg/kg araka ny lanjan’ny vatana dia azo lazaina fa ampy hiarovana ny mpanjifa satria ambany lavitra noho io fetra io ny fampiasan’ny olona iray salama ny aspartame. Izany tokoa, raha olona milanja 60kg ohatra dia mila mahalany 240 isa amin’ny bokotra aspartame milanja 10mg vao mahatratra io fetra io. Iray na roa anefa dia mahamamy kafe tsara.

Ny olona manana olana ara-pahasalamana toy ny phenylketonuria (PKU) kosa dia mila mitandrina fatratra amin’ny sakafo mitondra phenylalanine. Noho izany dia mila mitandrina amin’ny fampiasana aspartame noho izy azo atao hoe sompitry ny phenylalanine.


eva eôrôpeana

Ny kômisiona eoropeana dia mametraka fepetra sy fenitra hentitra amin’ny fampiasana laron-tsakafo ary namaritra ny lisitry ny laro izay ekena ny fampiasana azy. Izay tsy ao anaty lisitra kosa araka izany dia tsy azo ampiasaina. Tsy maintsy aseho mazava eo amin’ny etikety ny anarana na ny eva nomena ilay laro.  

Ny eva eoropeana dia manomboka amin’ny litera “E” arahina laharana ahafantarana ny sokajiny. Ireto ny fampiasa matetika (azo alaina eto ny lisitra feno)

eva anarany
E100 Curcumin
E101 Riboflavins
E150a Plain Caramel
E150b Caustic sulphite caramel
E150c Ammonia caramel
E150d Sulphite ammonia caramel
E160a Carotenes
E163 Anthocyanins
E250 Sodium nitrite
E300 Ascorbic acid
E322 Lecithins
E327 Calcium lactate
E400 Alginic acid
E406 Agar
E407 Carrageenan
E414 Acacia gum (gum arabic)
E440 Pectins
E464 Hydroxypropyl methyl cellulose
E500 Sodium carbonates
E503 Ammonium carbonates
E551 Silicon dioxide
E552 Calcium silicate
E621 Monosodium Glutamate (MSG)
E627 Disodium guanylate
E631 Disodium inosinate
E948 Oxygen
E949 Hydrogen
E951 Aspartame
E955 Sucralose

Loharanon-kevitra

The European Food Information Council

European Food Safety Authority

U.S. Food and Drug Administration

Joint FAO/WHO Expert Committee on Food Additives (JECFA)

Print Friendly and PDF

Tafasiry

Manasa anao hitafasiry momba ny loha hevitra sy ireo andininy nozaraina teto.   

(*) Ny resaka mivoana, tsy maotina, na maniratsira dia azon'ny tompon'andraikitra eto amin'ny Fanoro esorina. Ilaina kosa anefa ny tsikera mitombina hanatsarana ny aty sy ny bikan'ny takelaka.