Herinaratra enti-mandeha

Saika mandeha amin'ny herinaratra daholo ny ankamaroan'ny fitaovana fampiasa ankehitriny eny fa na ireo noheverina fa mekanika aza toy ny hareza sy fanalahidy. Etsy ankilany, ny fandrosoan’ny teknika sy ny fahafahana ekônômika teo amin’ny fanamaivanana sy ny fanakelezana ny fitaovana enti-manaraka ny tena toy ny finday sy ny laptôpy dia nampitombo ny filàna herinaratra tsy miankina amin'ny loharanon'aratra raikitra, dia ny vatoaratra sy bateria izany. Midadasika ny sehatra ampiasana azy manomboka amin'ilay fiarakodia kilalao izany na ilay fitaovana manampy na manolo ny fo ka hatramin'ny fiarakodia misava lalana nalefa eny amin'ny planeta marsa.  

Mitombo araka izany ny fampiasana vatoaratra sy bateria, ary heverina fa mbola hitombo 8% isan-taona io filàna io ka hahatratra $120 arivo tapitrisa ny kirakira eo amin'ny tsena iraisam-pirenena amin'ny taona 2019. Ezahana velabelarina eto ny karazana vatoaratra sy bateria, ary ny fampiasana sy ny fokojana azy. 


Vatoaratra sa bateria ?

Ny fahasamihafana mipetraka eo amin’ny vatoaratra sy ny bateria dia azo lazaina fa nolovaina tamin’ny nanavahana azy eo amin’ny teny frantsay. Ny akora mamokatra aratra amin’ny fomba simika voalohany nataon’ingahy Alessandro Volta tany amin’ny faran’ny taonjato faha-18 dia vita tamin’ny singa tsotra mifanongoa (voltaic pile). Taty aoriana rehefa nalahatra iraizotra ireo singa mifanongoa ireo dia nahazoana bika mifanahaka tamin’ny tafondro milahatra ka nampiasana ny voambolana miaramila bateria. Raha mitovy ihany ny asany, ny habeny koa dia nanampy nanavaka azy roa.

Taty amin’ny taonjato faha-20 dia nosokajiana ho “fototra” (primary) ilay vatoaratra tsy azo fahanana ary “fanampiny” (secondary) ilay bateria azo fahanana.  Ny vatoaratra, piles amin’ny Teny frantsay, raha izany dia tsy azo fahanana, raha tsy hoe voamarika manokana fa azo fahanana. 

Firafitra

Mba tsy hidirana amin’ny fanazavana siantifika lalina dia tsorina hoe fitaovana mitahiry aratra amin’ny toetra simika ny vatoaratra sy ny bateria, ary mamadika ilay toetra simika ho herinaratra rehefa ampiasaina. Rehefa fahanana amin’ny alalan’ny herinaratra kosa ny bateria dia mamerina ireo toetra simika afaka mitahiry aratra.   

Singa simika telo no mpiorina ao amin’ny vatoaratra sy ny bateria (jereo ny sary eto ambany):

  • elektrôda miabo (katôda) izay takelaka manana fahana simika miabo;
  • elektrôda miiba (anôda) izay takelaka manana faha simika miiba;
  • elektrôlita izay tsora na hatrotro na vainga manamora ny fivezivezen’ny iôna eo amin’ny katoda sy ny anoda;

Atao hoe feno fahana ny vatoaratra na ny bateria rehefa samy feno ny fatra ambony indrindra amin’ny singa ilaina aminy ireo mpiorina telo ireo. Atao hoe ritra kosa rehefa tonga amin’ny fatra farany ambany indrindra.

Fiota elektrô-simika

Rehefa ampiasaina amin’ny fitaovana mila azy ilay vatoaratra na bateria (mandany fahana) dia misy fiota elektrô-simika miseho eo amin’ny anôda izay mandray iona avy amin’ny elektrôlita ary mamoaka elektrôna mankany amin’ny katôda. Etsy andaniny, misy fiota mivadika amin’izay miseho eo amin’ny anôda koa eo amin’ny katôda izay mandray ny elektrôna avy any amin’ny anôda ary mamoaka iôna mankany amin’ny elektrôlita. Herinaratra mikoriana amin’ilay fitaovana no vokatr'ilay fiota mandram-paharitran’ny singa ilain’ny fiota eo amin’ny elektrôda sy ny elektrôlita.

bateria feno ary mandany fahana

Bateria fahita amin'ny fiara: katôda vita amin'ny dioksidana firaka; anôda vita amin'ny firaka, ary elektrôlita vita amin'ny tsorana asidra solifirika (1/3) sy rano madio (2/3) nafangaro. Ny anôda dia mandray ilay solifata teo amin'ny elektrôlita ary mamoaka elektrôna mankany amin'ny katôda. Ny katôda kosa mandray ilay elektrôna ary manakalo ny ôksizena tao aminy amin'ny solifata eo amin'ny elekrôlita.

bateria ritra ka fahanana

Rehefa ritra ny fahana dia mijanona ny fiota ary lasa solifatana firaka, izay akora “ngazana” ny elektrôda roa, ary saika rano sisa no ao amin’ny elektrôlita. Ny famahanana kosa dia mitondra fiota mivadika amin’ny fandaniam-pahana ary mamerina ny toetra simika teo aloha eo amin’ny elektrôda sy ny elektrôlita: ny katôda indray no mamoaka elektrôna mankany amin'ny anôda, sns.  

 

Fanamboarana

Ireo dingana lalovana amin'ny fanamboarana vatoaratra alkalina:

sary: www.energizer.com
  1. Fonony izay vita amin’ny vy mahery; efa mipetraka ny tendro miabo.
  2. Katôda izay vita amin’ny fangarona vovoka dioksidana manganezy sy karbôna, ary novolavolaina manaraka ny sisi-atin’ilay fonony (fototry ny tendro miabo);
  3. Mpanasaraka ny katôda sy ny anôda vita amin’ny plastika manify feno hirika;
  4. Anôda vita amin’ny fanitso;
  5. Elektrôlita vita amin’ny tsorana hidrôksidana pôtassiôma ;
  6. Karazana fanjaitra natao anangona ny elektrôna ary fakan’ny tendro miiba;
  7. Vatoaratra voasarona sy vita fono (tsy mamoaka entona na mitete)

Bika sy habe

Ny mpanamboatra vatoaratra sy bateria dia samy nanana izay bika sy habe ary famantarana ny vokany avy. Taty aoriana dia nasiana fenitra teknika amin’ireny famantarana ireny ka ny International Electrotechnical Commission (IEC) sy ny American National Standards Institute (ANSI) no mamoaka ny fenitra teknika ho iraisam-pirenena. Ireto ny famantarana amin’ny vatoaratra sy bateria fampiasa matetika.

Habe IEC ANSI Hafa
AAA LR03 (Alkalina)
R03 (ZnC)
KR03 (NiCd)
HR03 (NiMH)
24A (Alkalina)
24D (ZnC)
MN2400
AA LR6 (Alkalina)
R6 (ZnC)
KR6 (NiCd)
HR6 (NiMH)
15A (Alkalina)
15D (ZnC)
1.2K2 (NiCd)
1.2H2 (NiMH)
MN1500
C LR14 (Alkalina)
R14 (ZnC)
KR14 (NiCd)
HR14 (NiMH)
14A (Alkaline)
14D (ZnC)
MN1400
D LR20 (Alkalina)
R20 (ZnC)
KR20 (NiCd)
HR20 (NiMH)
13A (Alkalina)
13D (ZnC)
MN1300
9V 6LR61 (Alkalina)
6F22 (ZnC)
6KR61 (NiCd)
6HR61 (NiMH)
1604A (Alkalina)
1604D (ZnC)
1604LC (Lithium)
7.2H5 (NiMH)
11604 (NiCd)
MN1604

Voambolana sy famaritana

Vatoaratra
Mpiteraka agovon'aratra avy amin'ny fiofohan'ny angovo simika, na angovom-pana (Akademia Malagasy, 2015, p.1089).
Bateria
Fitaovana voavoatra mba hitahiry herinaratra ary azo amahanana fitaovana velomina aratra (Akademia Malagasy, 2015, p.185).

Tokonana faharitràna

Ny sela na singa iray amin’ny vatoaratra sy bateria fampiasa dia manome rianaratra 1.5V ary lazaina  fa ritra ny vatoaratra sy ny bateria ary mila soloina, na fahanana raha azo atao, rehefa latsaky ny tokonana voafaritra ny rianaratra omen'ny singa iray ao aminy. Ny vatoaratra 1.5V ohatra dia eo anelanelan’ny 1V sy ny 0.8V io tokonana faharitràna io.


Tahiry fahana

Refesina amin’ny mAh (milli-Amp hours) ny tahiry fahan’ny vatoaratra sy bateria. Io dia refy milaza ny faharetany amin’ny fampiasana azy ao anaty fepetra voafaritra tsara. Ny ohatra eto ambany dia biloka mampiseho ny faharetan’ny vatoaratra alkalina manome vaikanaratra 100mA hatramin’ny tokonana faharitràna 0.8V

Fandaniam-pahana eo amin'ny vatoaratra Duracell Alkaline PC1500 (sary: www.duracell.com)


Fandaniam-pahana

Atao hoe mandany fahana ny vatoaratra sy ny bateria rehefa miasa manome herinaratra izay fitaovana mampiasa azy. Ny bateria dia azo averina fahanana rehefa ritra.

Mety mandany fahana koa anefa ny vatoaratra sy ny bateria na dia tsy miasa aza, eny fa na dia ireo vaovao mbola eny an-talantalan'ny mpivarotra aza.  

Print Friendly and PDF

Pejy manaraka: Vatoaratra fototra


Tafasiry

Manasa anao hitafasiry momba ny loha hevitra sy ireo andininy nozaraina teto.   

(*) Ny resaka mivoana, tsy maotina, na maniratsira dia azon'ny tompon'andraikitra eto amin'ny Fanoro esorina. Ilaina kosa anefa ny tsikera mitombina hanatsarana ny aty sy ny bikan'ny takelaka.