Fanazavana sy Atontan-Kevitra (FAK)

Nangonina eto ireo fanazavana ho valin'ny fanontaniana sy hevitra avy amin'ny mpamaky. Tsy nosokirina tamin'ny vato anefa ireo fa azo ovaina rehefa ilaina ny fanovana araka ny fotoana sy ny fivoaran'ny takelaka. Manasa ny mpamaky araka izany handalo matetika eto ary koa hanome sosokevitra hampivoarana ny takelaka .

Fanontana

Ny faniriana dia ny hamoasana lohahevitra iray isam-bolana. Ny mpamaky kosa dia afaka manolotra pejy hozaraina (jereo eto ambany) ary apetraka miaraka amin’ny fanontana manaraka.

Pejy atolotry ny mpamaky

Raha misy mpamaky te hanolotra pejy hozaraina eto amin’ny takelaka dia raisina an-tanan-droa rehefa mifanaraka amin’ny zava-kinendrin’ny fanoro©. Ny tompon’andraikitra eto amin’ny fanoro© no miantoka ny fankatoavana ny lahatsoratra, ary mandrafitra sy mametraka ny pejy ato anaty takelaka. Ny aty pejy kosa dia amin’ny anarana na anaram-bosotra araka izay fanirian’ny mpanolotra.

Lohahevitra azo atolotra

Misokatra ny lohahevitra rehefa mifanaraka amin’ny zava-kinendrin’ny fanoro©. Omena bahana sy laharam-pahamehana araka izany ny fitondrana fahalalàna amin’ny teny malagasy ary azo ampiharina amin’ny fiainana andavanandro.

Tambazotra sôsialy

Ny takelaka no ifantohan'ny tompon'andraikitra eto ampiandohana ka ezahina ny fametrahana lamina, toy ny tafasiry sy ny hafatra, ahazoan'ny mpamaky maneho hevitra amin'izay lohahevitra novoasana sy mifandray amin'ny tompon'andraikitra. Ho hita kosa any aoriana izay mety ho fisokafana amin'ny tambazotra sosialy toy ny facebook na twitter.

Hafatra

Raha tsy voazava teto amin'ny FAK ny fanontaniana manitikitika dia azon'ny mpamaky atao ny mametraka hafatra ho an'ny tompon'andraikitra. Ezahana araka izay azo atao ny fiandraiketana ny hafatra araka ny fotoana izay mahamety azy.