Ny takelaka

Zava-kinendry

Ny zava-kendren’ny fanoro© dia ny hitondra anjara biriky amin’ny fampidirana takelaka amin’ny teny malagasy eto amin’ny sehatry ny internet. Tsy hanatevina na sanatria hifaninana amin’izay efa misy anefa fa hiezaka kosa hameno ny banga sy hizara fahalalàna amin’ny teny malagasy azo ampiharina amin’ny fiainana andavanandro araka izay takatra.

Tsy mitonon-tena ho mahafehy ny teny malagasy noho ny besinimaro ny tompon’andraikitra eto amin’ny fanoro© ka matoky ny hamoram-pon’ny mpamaky amin’izay fahadisoana etsy sy eroa. Noho izany dia manantena ny fiaraha-miasa amin’ny mpamaky amin’izay fanitsiana izay ilaina atao.

Raisina an-tanan-droa araka izany ny sosokevitra avy amin’ny mpamaky ka mifanaraka amin’ny zava-kinendrin’ny fanoro© ho enti-manatsara ny aty sy ny endriky ny takelaka.

Ny mpanoratra

Fandalàna ny teny malagasy no mamporisika ny tompon’andraikitra namorona ny takelaka fanoro© ary an-tsitrapo tanteraka sy tsy misy tambiny no anaovana izany. Vao miana-mandeha eto amin'ny sehatra ny tompon’andraikitra ka mety hisy ny tsy fahalavorariana na fahatarana koa ialana tsiny amin'ny mpamaky dieny mialoha.

Fepetra ankapobeny

Ati-takelaka

Eto ampiandohana, ny ati-takelaka eto amin'ny fanoro© dia dika malalaka avy amin'ireo tahirinkevitra vahiny manazava ireo fenitra sy fomba isam-paritra (Eôropa, Amerika avaratra, Soisy, Aostralia sns...) na iraisam-pirenena ka mety misy fampiharana manan-kery amin'ny toerana iray fa tsy mitombona any amin'ny toeran-kafa. Ny mpanoratra ny fanoro© dia tsy tompon'andraikitra amin'izay fomba fampiharana na izay fiovana misy eo an-toerana, ary mamporisika ny mpamaky hanatona izay tompon'andraikitra eo an-toerana momba izay toromarika sy lalàna manan-kery amin'izay toerana misy ny mpamaky.

Ny mpanoratra ny fanoro© koa dia manasa ny mpamaky hampilaza ny mpanoratra momba izay fanitsiana mitombona mila atao amin'ny pejin'ny takelaka fanoro© mila izany.

Ny faniriana anefa dia ny hisokafan'ny ati-takelaka amin'ny sehatra hafa ka mifanaraka amin’ny zava-kinendrin’ny fanoro©, ary manantena ny fandraisana anjaran'ny mpamaky araka izany. 

Zon'ny mpamorona

Ny mpanoratra ny fanoro© dia miezaka manaja ny zon'ny mpamorona amin'ny fampiasana sary, kisary, soratra, horonampeo sy horonantsary. Araka izany ny sary, kisary, soratra, horonampeo sy horonantsary eto amin'ny takelaka dia asan'ny mpanoratra samirery miampy sary, kisary, soratra, horonampeo sy horonantsary azo ampiasaina malalaka.

Ny zo amin'ireo asan'ny mpanoratra eto amin'ny fanoro© dia mijanona fo fananan'ny mpanoratra ary raràna araka izany ny fandikana na fampiasana tsy nahazoana alàlana avy amin'ny mpanoratra.

Rohy samihafa

Ny rohy mankany amin'ny takelaka hafa dia noheverina fa loharanon’ny tahirinkevitra na mpiambina ny tahirinkevitra, ary nofantenana sy napetraka tamin'ny fotoana nanoratana ny pejy, ka tsy nahitana aty tsy ara-dalàna na tsy mendrika tamin'izany. Ny fanoro© araka izany dia tsy tompon'andraikitra amin'izay mety fiovana sy izay fampiasana azy ireny na ankehitriny na amin'ny ho avy, ary manasa ny mpamaky hampilaza ny mpanoratra eto amin'ny fanoro© raha mahita rohy maty na zavatra tsy mety momba ireo rohy ireo.

Fiarovana ny raki-tsamirery (*)

Ny fampidiran'ny mpamaky ny raki-tsamirery momba azy toy ny anarana na anaram-bosotra sy adiresy mailaka, dia an-tsitrapo tanteraka. Ny mpanoratra ny fanoro© kosa dia tsy hampiasa na hizara ireny raki-tsamirery ireny amin'ny zavatra hafa ankoatra ny fifandraisana eto amin'ny takelaka fanoro© ihany.

(*) dika malalaka ny "personal data"

Momba ny fanoro

Fanoro (Rajemisa-Raolison, 2003, p.272) 

  1. zavamaniry fanao sesi-kidoro ny voniny ary fampandoavana ny raviny ( gomphocarpus fructicosus)
  2. fomba entina manoro

Asa sy fitaovana manoro

Rajemisa-Raolison, R. , 2003, Rakibolana Malagasy, Editions Ambozontany
Akademia Malagasy, 2005, Rakibolana Rakipahalalana
J. Sims, J. C. Kingzet, et al., 1969, Dictionnaire Français - Malgache, Trano Printy Loterana.
de La Beaujardière, J-M, n.d., Dictionnaire Malgache et Encyclopédie de Madagascar [Online]. Available from: http://motmalgache.org (Accessed: 01 September 2015) 


Fifandraisana

Ato ny pejy fametrahana hafatra raha te hifandray amin'ny tompon'andraikitra eto amin'ny takelaka.