Tena olana ankehitriny ny tsy fahampian'ny angôvo elektrika eto amin'ny firenena. Mampijaly ny delestazy eo amin'zay takatry ny tambazotra, ary nofinofy ezahana tanterahina amin'ny pitike(*) izany any amin'ny tany lavitr'andriana.
Betsaka sy miparitaka ny fivarotana takelaka sôlara saingy manahirana ny fifidianana fitaovana: ny matihanina mikendry ny fametrahana vaventy sy mavesatra tsy takatry ny maro, ary ny mpivarotra kosa vitsy ny manome toro-hevitra teknika azo antoka.
Ny fanoro© dia miezaka mameno ny banga sy manoro izay tsara ho fantatra amin'ny fametrahana fitaovana sôlara.
(*) mamitike (pitike): bricoler
Akora saika hita sy fampiasa amin'ny fotoana rehetra ny akora plastika. Mora vidy, maivana, tsy mora vaky, azo ahodina ary manaba bika sy endrika ary habe maro samihafa izy ireny ary ampiasaina amin'ny filàna isan-karazany.
Eo koa anefa etsy an-kilany ny akony eo amin'ny tontolo iainana rehefa tsy voafehy ny fanapotehana na ny fanodinana ny akora plastika tsy ampiasaina intsony ka mahatonga azy, na ny fampiasana azy, ho toy ny tsy mendrika izao vaninandro itodihana amin'ny natiora izao.
Mihezaka manazava ny karazana akora plastika eto ny fanoro© ary mizara ny fomba famantarana sy ny fampiasana azy.
Fampiasa mahazatra sy efa hatry ny ela ny laro amin’ny sakafo. Mety fomba fitehirizana izany na fanomezana endrika sy loko mampilendalenda na indrindra koa fanomezana hanitra sy tsiro. Ny laro dia mety ho natoraly na namboarina manokana tamin’ny fomba samihafa, simika ohatra.
Misy ihany ahiahy eo amin'izay mety ho akony amin'ny fahasalamana rehefa tsy fantatra loatra izay momba azy, indrindra ka manana feo simika loatra na sambany vao ampiasaina.
Ny fanoro© dia manazava amin'ny teny malagasy ny tsara ho fantatra momba ny karazana laro fampiasa ary mitondra koa valiny amin'ny fanontaniana mipetraka matetika .
Raha indray klika ankehitriny dia mahazo izay vaovao maneran-tany noho ny internet sy ny fitaovana ahazoana izany, ireo zokintsika fahizany kosa tsy nanana hafatsy ny gazety sy radio ho an'izay vitsy nahatakatra. Zaraina eto ary ireo karazana vaovao sy doka nozaraina tamin'izany.