Famantarana ny Resin ID Coding (RIC)

Ny famantarana ny akora plastika RIC (Resin Identification Code) dia narafitry ny Society of Plastics Industry (SPI) tany amin’ny taona 1988 ary nitarin’ny American Society for Testing and Materials (ASTM) tamin’ny taona 2008. Samy nametraka ny fampiharana azy avy eo ny firenena tsirairay, na amin’ny lalàna izany na an-tsitrapo.

Sary eva fototra

Generic placeholder image
Ny eva famantarana dia miendrika tsipìka telo mifanaraka miolana manao telozoro ary mihodidina isa 1 hatramin’ny 7 izay milaza ny sokajin’ny akora plastika nanaovana azy. Mety misy ny eva ISO famantarana ny pôlimera nanamboarana azy koa eo ambanin’ny telozoro.

Ny famantarana dia milaza ny haro sy ny fomba nanamboarana ilay akora plastika, ary natao indrindra ho fanamorana ny fifantenana sy ny fanodinana ny akora avy nampiasaina. Ny fisokajiana ambara eto dia an'ny akora plastika efa namboarina sy nomena endrika ho azon'ny mpanjifa ampiasaina avy hatrany (tavoahangy, boaty, tolàna, varavarana sns.). Hafa kosa ny fisokajiana teknika ho an'ny pôlimera fototra mbola tsy voahodina (ranoka, rihitra, vongana, sns.)  

Generic placeholder image
Pôli(etilena tereftalata) – PET, PETE
Henjana sy tsy mora mitresaka, tantera-kazavana na miloko, ary maivana noho ny PVC (jereo ny sokajy #3). Mampiavaka azy ny fisian’ny teboka mitevina hatramin’ny 5mm ny savaivony eo amin’ny vodi-tavoahangy izay niforona teo am-panamboarana azy. 

 Tavoahangy ho an’ny zava-pisotro misy gaza, rano mineraly, ranomboankazo; na koa barikety fasiana sakafo, lovia plastika.


Generic placeholder image
Pôlietilena avo hakitroka – HDPE, PE-HD
Malefolefo, tsy tantera-kazavana, miloko, mateza. Misy bika sy habe maro. 

Tavoahangin-dronono, na fasiana ranomboankazo, ranoka fanasana volo, kôsmetika, ranoka fanasana lamba na lovia, jerikana, kilalao.


Generic placeholder image
Pôli(vinila klôrida) – V, PVC
Henjana ary mamela faritra fotsy raha aforitra. 

Tavoahangy menaka, plastika henjana na malefaka famonosana, kara-bola, kilalao, fantson-drano, tolàna, seza sy latabatra, sns.


Generic placeholder image
Pôlietilena iva hakitroka – LDPE, PE-LD
Malefolefo sy mora aforitra sy mora henjanina, mavesatra noho ny HDPE. 

 Plastika malefaka famonosana, tavoara malefaka fasiana dinty, ketchup, harona plastika fahita eny an-tsena, harona plastika fasiana fako.


Generic placeholder image
Pôliprôpilena – PP
Henjana, mahatanty hafanana sy akora simika Boaty sy tavy fasiana ronono sy vokatra avy amin’ny ronono, boaty fasiana sakafo.

Generic placeholder image
Pôlistirena – PS
Malefolefo, mitàna hafanana, mora mitresaka raha aforitra PS kristaly: fitaovana fianarana toy ny fitsipika sy sokera, tranona kapila manjelatra PS noterena: boaty fasiana dibera na abobo, vera plastika fanary, sns. PS nabontsina: akora mpanefitra, akora fiarovana zavatra mora vaky, barikety fampiratina sakafo amidy (hena, sns)

Generic placeholder image
Pôlimera hafa (akrilika, pôlikarbônaty, pôlilaktida...)
Ny pôlilaktida – PLA (pôlilaktika asidra) dia sokajiana ao anatin'ny famantarana #7. 

Tavoahangy, lovia, famonosana sakafo, kapoaka fampiasa indray mandeha ihany, fitaovana fampiasa amin’ny fitsaboana.


Eva hafa fahita amin'ny vokatra plastika

Generic placeholder image
Mety amin'ny sakafo
Ny eva mampiseho vera misy tongotra sy forosety dia fenitra natao ho an’ny akora plastika, fitaratra, baoritra sns. afaka mikasoka amin’ny sakafo. 

Ny akora dia manaraka fepetra hentitra takian’ny fitsipika iraisam-pirenena amin’izay akora mikasoka amin’ny sakafo na zava-pisotro, ka tsy hampiova izay fonosina ho sanatria lasa mankarary.

Generic placeholder image
Azo diovina amin'ny milina

Ny eva mampiseho lovia roa voatondraka rano miendrika orana dia milaza fa mahatanty fanadiovana amin'ny milina, ary mahazaka ny hafanan'ny rano sy ny tsora na vovoka fanadiovana lovia.

Generic placeholder image
Azo ampiasaina amin'ny mikrô-ôndy

Ny eva mampiseho lovia voarakotra alona maromaro dia milaza fa mety amin'ny teknika fanafanana sy mahatanty fanafanana amin'ny lafaoro mikrô-ôndy.

Generic placeholder image
Azo atao ao anaty vata fampangatsiahana

Ny eva mampiseho vaingan-dranomandry dia milaza fa mahatanty hatsiaka ao anaty vata fampangatsiahana.

PET sy ny BPA

Araka ny filazan’ny PET Resin Association (PETRA, n.d.) dia tsy misy Bisfenôl-A (BPA) ny vokatra vita amin’ny PET. Ny BPA dia raha ao anatin’ny akora fanamboarana pôlikarbônaty izay karazana plastika ihany koa. Mety mitovitovy fanonona ny pôlietilena (PET) sy ny pôlikarbônaty misy BPA kanefa ny rafitra simika dia samihafa tanteraka.

PET sy ny PLA

Ny Pôliaktika Asidra -PLA no akora azo lazaina fa mety mahasolo ny PET. Ao anatin’ny sokajin’ny biôpôlimera miaraka amin’ny tavolo ny PLA ary azo zariana araka ny teknika fampiasa amin’ny akora plastika hafa toy ny PET. Ny PLA koa dia manana toetra hitoviana betsaka amin’ny PET: henjana sy maozatra, tantera-kazavana, mahasakana gaza, mora aforitra sns. Mahatanty hafanana kokoa anefa ny PET fa hafanana mahatratra 250°C vao mampitsonika azy raha mitaha amin'ny 130°C an'ny PLA.

Ankoatry ny fampiasana ny vokatra avy amin’ny PET dia ampiasaina amin’ny fitsaboana koa ny PLA toy ny kofehy fanjairana sy brosy ôrtôpedika ohatra.

Ny fifanjevoana eo amin’ny famantarana ny PET sy ny PLA dia manelingelina ny tambazotra fanodinana ny PET raha mifangaro. Ny PLA dia manana toetra biôdegradabla ary misy manao azy kômpôsta. Fomba iray hafa ny fanodinana simika ny PLA ho lasa asidra laktika kanefa mila fanangonana mahomby, toy ny fampiasana kapoaka PLA irery ihany amin’ny fety ohatra.



Print Friendly and PDF