Fanodinana ny akora plastika

Ny firenena tsirairay, na ny tanàna ao amin’ilay firenena, dia samy mametraka fitsipika amin’izay karazana akora plastika fanodina arakaraka izay tambazotra sy ny fepetra misy eo an-toerana. Araka izany, ny akora fanodina amin’ny toerana iray dia mety tsy azo atao any amin’ny toerana hafa ary mety ahazoana sazy ny fandikana izany.

Fanodinana (recycling)

Raha akora fanodina ny nanamboarana ilay plastika, dia tsy midika avy hatrany fa azo ahodina eo an-toerana ny plastika izay avy nampiasaina. Izany tokoa!!! ny fanodinana ny akora plastika avy nampiasaina, ao anatin’izany ny fako avy any an-tokantrano, dia miankina amin’ny mpihazaka maromaro:

  • ny fisian’ny tambazotra fanodinana manomboka any amin’ny fanangonana, fifantenana, fitaterana, ary ny ozinina fanodinana isaky ny sokajy;
  • ny fisian’ny fepetra teknika amin’ny fanodinana sy ny tombotsoa ekônomika avy amin’ny fanodinana;
  • ny tinady sy vidy eo amin’ny tsenan’ny akoram-bokatra;
  • ny fitaizana ny olom-pirenena sy famporisihana avy amin’ny tompon’andraikitra;
  • sns.

Ny tsara ho fantatra momba ny PET (sokajy #1)

Generic placeholder image
Ny PET dia pôlimera azo avy amin’ny etilena glikôla sy asidra tereftalika.  Ny vovoka azo avy amin’ireo no afanaina ary omena izay bika ilaina rehefa mitsonika. Tany antenantenan’ny taona efapolo no nanaovana ny fandravonana PET voalohany ary tany amin’ny fiandohan’ny taona fitopolo no nipoiran’ny teknôlôjia mandasitra tavoahangy PET araka ny hita ankehitriny. 

Tany amin’ny faramparan’ny taona fitopolo kosa ny nahitana ny fomba fanodinana ny tavoahangy PET.

Ny fikarohana sy fandalinana ary fanandramana siantifika maro nandritra ny telopolo taona mahery dia manambara fa azo antoka ny PET rehefa ampiasaina amin’izay antony nanamboarana azy. Ireo foibe sy masoivoho manana fahefana any amin’ny firenena lehibe sy mandroso, toy ny US FDA, Health Canada, ary ny European Food Safety Authority, dia nanome alalana ny fampiasana azy amin’ny sehatra maro toy ny famonosana sakafo na zava-pisotro na akora fanadiovana samihafa, fanafody, sy amin’ny fitsaboana, sns.

Mafy sy maozatra, tantera-kazavana, mahatohitra fikaokan’ny mikrô-ôrganisma, maivana, tsy mora vaky toy ny fitaratra sns. dia isan’ny toetran’ny PET ka mahatonga azy ho akora ekônômika amin’ny famonosana sakafo sy zavam-pisotro. Azo averina ampiasaina tsara araka izany ny tavoahangy PET rehefa avy nodiovina tsara amin’ny rano sy savony, ary namainina tanteraka. Tsy tsara kosa anefa ny mampiasa azy raha misy kiaka ny atiny satria mety mitazona bakteria.

Fanodinana tavoahangy PET

Ny PET no akora plastika fanodina betsaka indrindra amin'izao fotoana noho izy azo averimberina ahodina. Saika ny tanan-dehibe rehetra amin’ny tany mandroso dia manana ny tambazotra fanodinana ny akora plastika PET. Tezaina sy entanina koa ny mponina amin’ny fanangonana ny PET, ary azo saziana izay tsy manaraka ny torolalana.

Ny tavoahangy PET voahodina dia ahazoana manamboatra tavoahangy PET vaovao na koa vokatra hafa toy ny kofehy fanao karipetra na akanjo, kitapo fatoriana, akanjo entina amin’ny ririnina na avy orana. Ny orinasa vaventy toy ny mpanamboatra fitaovana ho an’ny fiara koa dia isan’ny mpanjifa ny akora PET voahodina.

Ireto ny dingana lehibe arahin’ny fanodinana tavoahangy PET:

Generic placeholder image
(1) Varotra sy fanjifana
An-tapitrisa maro ny tavoahangy PET mitosaka eo amin’ny tsena, fenoin’ny mpamokatra sy ampiasain’ny mpanjifa. Ny PET no akora matetika fampiasa indrindra amin’ny tavoahangy ho an’ny rano, ranom-boankazo sy zava-pisotro misy gaza.

 

Generic placeholder image
(2) Fanangonana
Ny ankamaroan’ny firenena lehibe dia mametraka toerana manokana anangonana ny tavoahangy PET avy nampiasaina. Ny magazay lehibe ohatra dia tsy maintsy manana izany toerana manokana izany. Toy izany koa ny tanàna lehibe sy ny boriborintany, ny sekoly sy ny hôpitaly, ny gara sy ny seranam-piaramanidina, ny toerana fialamboly, ny kiôska, sns.
Generic placeholder image
(3) Fitaterana
Ny tompon’andraikitry ny fanodinana dia mampiasa lôjistika mavesatra sy mahomby amin'ny fitaterana ny tavoahangy PET avy eny amin’ny toeram-panangonana, mankany amin’ny toerana fifantenana.
Generic placeholder image
(4) Fifantenana
Cras sit amet nibh libero, in gravida nulla. Nulla vel metus scelerisque ante sollicitudin. Cras purus odio, vestibulum in vulputate at, tempus viverra turpis. Fusce condimentum nunc ac nisi vulputate fringilla. Donec lacinia congue felis in faucibus.
Generic placeholder image
(5) Fanodinana
Sarahana tsirairay ny tavoahangy PET voafisaka eto ary ampandalovina milina manala ny sisa metaly sy ny etikety misy viraty(*). Avy eo tetehina madinika ary ampidirina amin’ny milina mitsoka manala ny ambina etikety tavela. Ampandroina amin’ny rano avy eo ilay PET voatetika ka ny potiky ny sarony mitsingevana satria maivana fa ny tetika PET mavesatra kosa milentika. Diovina amin’ny rano misy tsora fandiovana avy eo ary afanaina anaty lafaoro mahatratra 197-207 degrés. Io fomba io no manadio ny tavan’ny PET voatetika sy manala izay raha hafa mbola mety tavela. Kobanina farany ny tetika PET ary amainina. Refesina amin’ny lazera ireo tetika PET voadio, sady manala izay raha mbola tavela farany ihany koa. Potika PET madio izy manomboka eto ary azo ampiarahana amin’ny akora fanamboarana akora PET vaovao. 
Generic placeholder image
(6) Akora PET vaovao
Sokajin’ny akora fototra ilay potika PET voahodina ary jifain’ny orinasa mpanamboatra akora PET ho an’ny orinasa mila famonosana PET. Afanaina hatrany amin'ny 250 degrés ilay potika PET hitsonika ary omena izay bika ilaina.

Teknika fanomezana bika ny akora plastika

Misy fomba telo ny fanodinana ny pôlimera fototra ho lasa akora vita azon'ny mpanjifa ampiasaina:

  • fandasirana amin'ny alalan'ny fitsofana ho an'ny akora plastika manana bika poakaty toy ny toavoahangy, tavoara, kilalao, sns.
  • fandasirana amin'ny alalan'ny fanindriana ao anaty lasitra manana bika manokana toy ny boaty, tranona kapila mangirana, sns.
  • fandasirana amin'ny alalan'ny fanerena ny akora handalo matirisy vita amin'ny vy ka manome ny bika toy ny takelaka manify, taho, fantsona sns.

Preform

Mety mbola mandalo dingana fanampiny ilay akora PET vaovao vao tonga any amin'ny tena bika farany. Ny akora preform ohatra dia ny tendan'ilay tavoahangy PET hipetrahan'ny sarony ihany no vita fa ny vatany dia atao toy ny tioba fotsiny aloha. Mora tanterina io preform io satria tsy mibahana toerana, ary any amin'ny orinasa mpameno ilay tavoahangy vao abontsina ilay tioba vatany ho lasa bikana tavoahangy.

   

Akora efa nahodina ?

Tsy voatery ho midika hoe plastika efa nahodina no nanamboarana ilay akora vaovao. Ny mpanamboatra rahateo dia tsy voatery hilaza na akora voahodina na misy ampahany ny akora nanamboarana azy.

Ny tavoahangy plastika avy nampiasaina dia azo ahodina zavatra hafa toy ny kofehy, kitapo, seza plastika, famonosana, fitoerana finday, kiraro sy akanjo entina amin’ny fanatanjahan-tena, kara-bola, TV fisaka, sns.

Generic placeholder image
Teboka Maitso

Antsoina koa hoe EcoEmballages, io eva io dia hita amin’ny ankamaroan’ny famonosana isan-karazany kanefa tsy midika velively fa azo ahodina ny akora nanamboarana ilay famonosana (matetika akaikiny eo ny toro-lalana amin’ny fomba fanariana na fifantenana azy). Ny eva Teboka Maitso (green dot) dia milaza fa mandoa karazana hetra ho amin’ny tambazotran’ny fanodinana ilay orinasa mpanamboatra ny vokatra fonosina.


Generic placeholder image
PET-Recycling

Ny tavoahangy PET misy marika manokan'ny PET-Recycling, toy ny fasiana rano na ranom-boankazo, ihany no azo ahodina ary raisina eny amin’ny toerana fanangonana voatokana misy io eva io. Ny tavoahangy nisy menaka na vinaingitra kosa na dia vita amin’ny PET aza dia tsy azo angonina satria manasarotra ny fanadiovana amin'ny fanodinana.


Loharanon-kevitra

ASTM International

PAPREC

Pet Recycling

Pet Resin Association

RecyPET AG

SPI: The Plastics Industry Trade Association



Print Friendly and PDF