Mila faritana ao anatin'ny paika dieny vao manomboka ny mpihazaka rehetra momba ny fametrahana. Voalohany amin'izany ny toerana jeôgrafika sy ny toetry ny taratry ny masoandro eo amin'ilay toerana araka ny fotoana ao anatin'ny taona. Efa misy ireo atontan'isa, indrindra avy any ivelany, miaraka amin'ny mpikajy hazaka azo ampiasaina tsara hikajiana izay fitodiky ny takelaka. Ao ihany koa ny velarana azo ampiasaiana, toy ny tafo na rindrina na tokontany na sns. Rehefa izany dia mila faritana koa ny fametrahana teknika mifanaraka amin'zay filàna sy ny zava-misy eo antoerana ary indrindra in enti-manana. Tsy azo adinoina koa ny fepetra na ny lalàna misy eo antoerana, ary indrindra izay ho fiarovana ny fitaovana apetraka (halatra, rivotra, vovoka sns).
Misy karazany roa lehibe ny fametrahana teknika fampiasa, ary miankina amin'ny filàna, ny zava-misy ary ny fepetra na lalàna misy ny sadidy amin'izany.
Atohy amin’ny tambazotra raikitra efa mipetraka (JIRAMA ohatra) ny fametrahana ny takelaka sôlara ary lasa manampy ny herinaratra efa misy. Izany hoe toerana todin’ny tambazotra raikitra no ampiasana ity fametrahana ity. Kaôntera manokana afaka manisa ny habetsahana’ny herinaratra miditra sy mivoaka no ampiasaina sy ahafahana mamantatra izay anjara entin’ny takelaka sôlara teo amin’ny tambazotra (net meter na two-way meter). Io anjara entin’ny takelaka sôlara io dia “vidian’ny” mpaninjara herinaratra (JIRAMA ohatra).
Any amin’ny tany mandroso matetika dia misy fitsipika na lalàna mihitsy aza mamaritra sy mandidy ny fanohizana ny takelaka sôlara amin’ny tambazotra efa misy. Misy fenitra ny fitaovana ampiasaina sy ny fametrahana takelaka sôlara ary teknisiana mpametraka nahazo fiofanana sy alalana no mahazo manao izany.
Lafitsara
Lafiratsy:
Mahaleotena tanteraka eto ny fametrahana ny takelaka sôlara saingy mila kosa fitaovana hitehirizana ny herinaratra tsy nampiasaina na mihoatra ny ilaina, dia ny bateria izany. Ampiasaina ity fametrahana ity amin’ny toerana lavitry ny tambazotra na toerana mitokana toy ny paompy fisitonan-drano, na koa enti-mandeha toy ny fiarandasy na sambo, sns.
Mila kajy marina sy antony matotra kosa raha toerana todin’ny tambazotra no ametrahana takelaka sôlara misaraka. Izany tokoa!!! Mety ho lafo lavitra ny saran’ny fitaovana sy ny fametrahana takelaka sôlara ary mety hoe ela vao tafaverina ny masonkarena raha taka-bidy ihany ny vidin’ny herinaratra entin’ny tamabazotra misy. Mety misy antony lehibe hafa kosa anefa manamarina sy mamporisika ny fametrahana takelaka sôlara na eo aza ny tambazotra misy, ny delestazy matetika sy maharitra ohatra.
Lafitsara:
Lafiratsy:
Atambatra eto ny toetra tsaran'ny fametrahana on-grid sy ny off-grid: toy ny on-grid ny fametrahana ary asiana olika sy fitaovana fitehirizana herinaratra. Toy ny on-grid koa dia asiana safelika manohy mankany amin'ilay kaontera manisa ny herinaratra miditra sy mivoaka ahafahana mamantatra izay anjara nentin'ny fametrahana sôlara.
Misy fametrahana iray misy ifandraisana amin'ny tambazotra ihany koa saingy mifameno fotsiny ny herinatra entiny. Izany tokoa!! ny paika eto dia na (1) ny fametrahana sôlara no tena miasa ary mitondra izay tsy ampy ny tambazotra (amin'ny alina ohatra), na (2) ny tambazotra no tena miasa, fa ny fametrahana sôlara atao fiandry raha tapaka ny tambazotra. Tsy misy ilay tombontsoa ekônômika amin'ny fividianan'ny mpaninjara ny tambazotra eto ny fametrahana.
fehibe: fehintany mizara ny bolantany ho ilany roa mitovy ()
tana : rayon
azimota: azimut
Arakaraka ny toerana jeôgrafika, dia misy mpihazaka vitsivitsy momba ny fitodiky ny takelaka any amin'ny masoandro mba ahazoana izay tanjaka mafy indrindra azo raisina.
1 - fitongilan’ny takelaka : ny zoro fitongilan'ny masoandro δ (solar declination angle) dia ny zoro eo amin'ny tanan'ny masoandro raisina amin'ny ivon'ny tany sy ny tanan'ny fehibe. Raisina ho miabo ny δ any amin'ny ila bolantany avaratra, ary miiba kosa aty amin'ny ila bolantany atsimo. Ny haambon'ny masoandro β (solar altitude) kosa dia ny zoro eo amin'ny tanan'ny masoandro amin'ny azimota voafaritra mihataka amin'ny azimotan'ny masoandro mitataovovonana. Ny zoro azimota ϕ (solar azimuth) dia ny zoro eo amin'ny tendrony atsimo raha any amin'ny ila bolantany avaratra (na avaratra raha aty amin'ny ila bolantany atsimo) sy ny azimotan'ny masoandro. Ireo no mamaritra ny fitodika sy ny fitongilan'ny takelaka, ary miova araka ny fotoana (ririninna, lohataona sns..).
2 - angôvon'ny taratry ny masoandro (irradiance) : refesina amin'ny W/m2, ity angôvo ity dia mamaritra ny angôvo entin'ny taratry ny masoandro eo amin'ny faritra mirefy iray metatra tora-droa (takelaka ohatra). Azo tsoahina avy amin'io ny tanikandro (insolation izay refesina amin'ny W/m2/andro) izay mandrefy ny daniky ny masoandro eo amin'ny velarana iray mandritra ny fotoana voafaritra (ora ao anatin'ny iray andro). Miankina amin'izy ity ny velaran'ny takelaka ahazoana izay tanjaka ilaina.
3 - faharetan'ny taratry ny masoandro: ity dia manondro ny isan'ny ora manomboka tamin'ny fiposahan'ny masoandro mandram-pilentiny. Miovaova izy ity ka amin’ny ririnina ohatra dia fohy kokoa ny andro, izany hoe mihena ny fotoana ahazoan’ny takelaka taratra masoandro. Noho ny zoro fitongilan'ny masoandro (vao niposaka, mitatao vovonana, sy hilentika) dia miovaova koa ny angôvon'ny taratra voaray. Miankina amin'izy ity ny faharetan'ny famahanan'ny takelaka ny bateria .