A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
(1) takelaka na vondron-takelaka.

Fitaovana 

Misy fitaovana vitsivitsy farafahakelin sy misaraka no ampiasaina amin'ny famokarana herinaratra sôlara araka izay filàna, ary tsara izany satria azo atao ny manampy na manolo izay fitaovana voakasika rehefa mitombo ny filàna. Raha misy fahasimbana koa dia izay voakasika ihany no soloina.

Mila mifantina tsara araka izany mba hirindra sy hifanaraka tsara ny rafitra sy ny toetra teknika, ahafahana mitrandraka izay tena tanjaka mafy sy mateza ary indrindra mampiverina haingana ny masonkarena. Misy kajy tsotra atao hifantinana ny fitaovana ary manomboka any amin'ny filàna ankehitriny sy ny fampitomboana ho amin'ny ho avy izany.

Efa betsaka ny karazana sy marika misy eo amin'ny tsena, ary araka izany koa ny vidiny ka mila mitombona ny kajy mba hifanaraka amin'izay ilaina ny fantina,. Aza misalasala mijery ny bokiny na ny tranony na ny internet mba ahalalàna izay tena toetra teknika ka tsy ho voarebirebin'ny dokan'ny mpivarotra. Mila mampitovy vidy koa mba tsy ho maty antoka.


Takelaka

Ny takelaka lazaina eto dia ilay fitaovana fototra mampiasa ny vokatra fôtôvôltaika manodina ny angôvon'ny hazavan'ny masoandro ho herinaratra.

Sela

Ny sela fôtôvôltaika no singa madinika indrindra amin’ny vondron’ny fitaovana amin’ny takelaka fôtôvôltaika. Ny sela fôtôvôltaika dia vita amin’ny semikôndioktera manokana ary miendrika ravina efajoro henjana nefa marefo mora mitresaka, ary mamadika ny angôvo avy amin’ny taratry ny masoandro ho lasa rianaratra mikararana amin’ny alalan’ny “vokatra fôtôvôltaika”. Ny lafiny roa amin’ny ravina no tendro miiba sy miabo (toy ny vatoaratra) ikorianan’ny vaikanaratra.

Ny sela dia manana ireto toetra teknika ireto, izay norefesina tamin’ny fepetra STC(*)

  • Eff (%): sanda-mahefa ilazana ny ampahany angôvo omena raha mitaha amin’ny angôvo voaray
  • Pmp (W) : tanjaka ambony indrindra (tampon’ny tanjaka)
  • Vmp (V): rianaratra amin’ny tanjaka ambony indrindra
  • Imp (A): vaikan-drianaratra amin’ny tanjaka ambony indrindra
  • Uoc (V): rianaratra ambony indrindra raha misokatra (tsy misy manjifa) ny tendro roa
  • Isc (A) : vaikan-drianaratra ambony indrindra raha afohy-safelika ny tendro roa;

Ny sela mônôkristalina iray ohatra dia manome rianaratra mikararana Vmp = 0.549V rehefa tarafin’ny masoandro. Toetra raikitra io ka raha vakiana roa na telo na efatra sns. ny sela iray dia samy manome io rianaratra io daholo ny singa tsirairay. Ny vaikanaratra kosa dia miankina amin’ny velarany sy ny herin’ny taratra masoandro voarain’ny sela.

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
toetra teknikan'ny sela mônôkristalina iray

Ny sela mônôkristalina mirefy 157mmx157mm ohatra dia manome vaikan-drianaratra Imp = 8.954A. Rehefa mitandahatra ny sela maromaro dia mitambatra ny rianaratra avoakany ary izay vaikanaratra kely indrindra avoakan'ny sela tsirairay no iraisana. Raha miraizotra kosa dia izay rianaratra kely indrindra no iraisana ary mitambatra ny vaikanaratra.

Takelaka

Ny takelaka dia safelika sela maromaro mitandahatra (serie), anaty fefimerana vita amin’ny viraty na plastika na koa fibra hafa voaaro amin’ny vovoka sy ny hamandoana ary voarakotra fitaratra na plastika tatera-pahazavana sy mahataty UV.

Ny takelaka no singa fototra amin’ny vondron’ny fitaovana amin’ny takelaka fôtôvôltaika. Atao mitandahatra ny filaharan’ny sela ao anaty takelaka, ary ny isany dia arakaraka ny tanjaka omeny.

36, 60 sa 72 ?
A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
haben'y takelaka 36, 60, ary 72

Ny isan'ny sela ao anaty takelaka iray no tondroin'ireo marika ireo. Ny fanontaniana izany dia hoe: takelaka misy sela 36 (4*9), 60 (6*10), sa 72 (6*12) no ilaina? Arakaraka ny filàna sy ny velarana misy no valiny.

Araka ny hita tery ambony, ny takelaka manana sela miisa 36 mitandahatra dia mamoaka rianaratra 18V eo ho eo, ary natao ho famahanana bateria 12V (12V nominal). Takelaka 36 roa mitohy mitandahatra izany (na takelaka 72 iray) dia mamoaka rianaratra 36V izay famahanana bateria 24V (24V nominal) sns. 

Ampy tsara amin'ny filàna maivana ny takelaka 36. Ny takelaka 60 (30V) sy ny takelaka 72 (36V) kosa matetika no fampiasa amin'ny filàna matanjaka. Ny takelaka 60 tokana dia tsy ahafahana mamahana bateria 24V. Ny mahasamy hafa azy roa dia ny habeny (velarany) sy ny tanjany (tandremo anefa fa misy takelaka 60 izay tsy mifanalavitra amin'ny takelaka 72 ny tanjany). Raha tafo na toerana mitovy velarana araka izay dia ahazoana tanjaka be kokoa ny fampiasana takelaka 72. Ny takelaka 72 tokana koa dia ahafahana mamahana bateria 24V.

Ny takelaka be velarana dia mavesatra ka mila fitaterana manokana sy fametrahana mafy, indrindra raha toerana be rivotra. Mampiakatra ny masonkarena izany rehetra izany.

(*) Efa betsaka koa ny takelaka misy 48 (6*8) na 96 (8*12) sela. Ny 96 dia be velarana sy mavesatra ka mila fametrahana mafy izay mampiakatra ny masonkarena. Filàna tena matanjaka no mety aminy, indrindra amin'ny fametrahana on-grid

Fehiny: raha 24V ny bateria dia ny takelaka 72 no safidy tsara. Raha 12V ny bateria dia mety ny takelaka 60 rehefa ampy ny tanjaka omeny (na firy isany na firy). Raha kely velarana ny toerana fametrahana ary misy ny enti-manana dia tsy hevitra ratsy ny mampiasa takelaka 72. Mila jerena tsara kosa anefa ny toetra sy ny vidin'ny fitaovana hafa (e.g. kôntrôlera, bateria) mba hifanaraka. 

Vondron-takelaka

Raha fametrahana maivana sy tsotra hanodinana fitaovana madinika no ilaina dia takelaka iray dia ampy. Mazàna anefa filàna matanjaka sy maharitra no mampiverina haingana ny masonkarena, indrindra amin'ny toerana tsy tongan'ny tambazotra, ka mila takelaka maromaro avondrona ahazoana manambatra ny tanjaka avy amin'ny takelaka tsirairay. Azo tao tsara ny manitatra ny vondron-takelaka rehefa mtombo ny filàna ka misy ny enti-manana.

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
vondron-takelaka ambony tafo
Mitandahatra sa mirazotra??

Ny filahatry ny takelaka ao anaty vondrona dia miankina amin'ny tanjaka ilaina, ary ny toetra sy ny tanjaky ny takelaka isanisany.

  • mila mitovy ny teotran'ny takela tsirairay ao anaty vondrona fa raha tsia dia ny kely tanjaka no mitondra ny ambiny;
  • amin'ny fitohy mitandahatra ( serie) dia vaikanaratry ny sela iray no mikoriana amin'izy rehetra ary mitambatra kosa ny rianaratra avy amin'izy rehetra. Ny vondrona misy takelaka roa samy manana 18V, 5A avy ka mitohy mitandahatra izany dia mamoaka 36V, 5A (tanjaka: 180W)
  • amin'ny fitohy mirazotra ( parallel) kosa dia mitambatra ny vaikanaratry ny tsirairay ary ny rianaratra dia ny an'ny takelaka iray. Ny vondrona misy takelaka roa samy manana 18V, 5A avy ka mitohy mirazotra izany dia mamoaka 18V, 10A (tanjaka: 180W)

Voambolana

Fefimerana
châssis, cadre
Mitandahatra
Alahatra mifanjohy ny takelaka ( en série) ka ny tendro miiban'ny teo aloha tohizana amin'ny tendro miabon'ny ao aoriana sns. Ny tendro miabon'ny voalohany sy ny tendro miiban'ny farany no tendro ampiasaina.

Atao mitandahatra ny takelaka rehefa hampiakatra rianaratra (V)

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
takelaka telo 252W (36V, 7A) mitandahatra manome tanjaka 756W (108V, 7A)
Mirazotra

Atambatra ny tendro miabo rehetra, ary atambatra toy izany koa ny tendro miiba rehetra (en parallèle).. Atao mirazotra ny takelaka rehefa hampiakatra vaikanaratra (A)

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
takelaka telo 252W (36V, 7A) mirazotra manome tanjaka 756W (36V, 21A)

Fenitra

STC (Standard Test Conditions):
Lamina neken’ny indostria ahazoana mandrefy sy mampitaha ny tanjaky ny sela na ny takelaka (module). Ny fepetran’ny STC dia sela miranty amin’ny maripàna 25°C, taratra 1000W/m2, ary vesatry ny rivotra 1.5 (AM1.5). Ireo fepetra ireo dia azo ampitahaina amin’ny taratry ny masoandro mitongilana 37° amin'ny velarany, ary amin'ny zoro 41.81° ambonin’ny faravodilanitra.
PTC (PVUSA - Photovoltaics for Utility Scale Applications Test Conditions):
Raha refy apetraka any amin’ny labôratoara ny STC, ny PTC kosa dia heverina fa refy mitovy amin’ny fepetra tena izy. Ny tena mahasamy hafa azy amin’ny STC dia ny maripàna 20°C sy ny fitsoky ny rivotra 1m/s. Mazàna latsaka noho ny STC ny PTC ka raha tamba-tsela manana tanjaka STC 180W ohatra dia mana tanjaka PTC 156W any ho any (0.8 - 0.9 eo ny mpanohatra).


Print Friendly and PDF