A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
(4) invertera

Invertera (inverter)

Omen'ny mpivarotra anarana toy ny hoe kônvertisera (AC-DC) na onduleur (UPS) ity fitaovana ity kanefa dia inverter (DC-AC) no anarana teknika namaritana azy.

Singa manana anjara asa lehibe eo amin’ny vondron’ny fitaovana manodina ny angovo avy amin’ny taratry ny masoandro ho herinaratra azo ampiasaina amin’ny fitaovana elektrika mahazatra ny invertera. Mamadika ny rianaratra mikararana avy amin’ny takelaka PV (48V DC ohatra) na bateria (12V DC ohatra) ho rianaratra miherina (220V AC ohatra) azo ampiasaina mivantana amin’ny fitaovana elektrika na elektrônika efa fampiasa na asesika amin’ny tambazotran’ny herinaratra misy

Miankina betsaka amin'ny karazana sy ny tanjaka ilain'ny fitaovana ahodina ny toetra teknika ilaina amin'ny invertera. Miankina amin'ny fametrahana kosa ny sokajina invertera ampiasaina. Mila fantatra tsara araka izany izay sokajy mety amin'ny fametrahana sao hanimba ny fitaovana ahodina na koa manaela ny femerenana masonkarena. 


Misy karazany telo ny invertera fampiasa eo amin’ny fanodinana ny herin’aratra avy amin’ny masoandro: tambabe (string na centralized), mikrô-invertera (micro-inverter), ary ny mpitrandraka tanjaka (power optimizer).

Tambabe (string, centralized)

Ny invertera tambabe dia manangona ny rianaratra mikararana avy amin'ny takelaka nampifandraisina ao anatin'ny vondron-takelaka (na koa ny bateria), ary manodina izany ho rianaratra miherina ampiasaina. Tokana ihany ny invertera tambabe ampiasaina (centralized) ary izy no loharano fototry ny rianaratra miherina mankany amin'ny fitaovana ampiasaina.

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
ny takelaka rehetra atohy mivantana amin'ny invertera tambabe

Ny fametrahana mampiasa invertera tambabe no tsotra sy mora vidy indrindra amin'ny karazana fametrahana fanao. Mety amin'ny karazana fametrahana madinika (takelaka iray na kely na lehibe) sy vaventy (takelaka na vondron-takelaka maro) ihany koa izy ity, ary misy karazany maro araka ny tanjaka ilaina, hatramin'ny KW maro.

Manana lesoka koa anefa ny fametrahana mampiasana invertera tambabe fotsiny satria tsy ahafahana manararaotra sy mitrandraka ny tanjaka mafin'ny vondron-takelaka. Izany tokoa: raha misy takelaka 4 samy manana tanjaka 250W avy ny vondrona iray ary 1,000W ny tambany, ka misy takelaka iray manome 150W fotsiny satria tratry ny aloka ohatra, dia midina manaraka an'io koa ny tanjaky ny takelaka ambiny nohon'ny lalàna fizika, izany hoe 600W sisa azo trandrahana. Io no tanjaka voarain'ny invertera tambabe ampiasainy. Mazàna noho izany raha apetraka amin'ny bateria ilay invertera tambabe.

Lesoka iray hafa koa ny maha-tokana azy eo amin'ny fametrahana ka raha misy fahasimbany dia mihantona ny fampiasana ny herinaratra.

Mikrô-invertera (micro-inverter)

Araka ny anarany dia invertera madinika ny mikrô-invertera ary apetraka isaky ny takelaka ka mamadika avy hatrany ny rianaratra mikararanan'ny isan-takelaka (24V na 48V DC ohatra) ho rianaratra miherina (220V AC) ampiasaina. Mety kokoa amin'ny takelaka matanjaka (be velarana) araka izany ny mikrô-invertera.

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
mikrô-invertera isaky ny takelaka atohy mivantana amin'ny fitaovana na ny mpizara aratra efa misy

Somary lafo ny saran'ny fametrahana satria mila mikrô-invertera isaky ny takelaka (takelaka folo mila mikrô-invertera folo). Mila filirony koa ny fametrahana satria mila arindra hitovy ny fitempo (phase) sy hatetiky (frequency) ny fiherenan'ny rianaratra isaky mikrô-invertera. Mety kokoa amin'ny fametrahana mikambana amin'ny tambazotra (on-grid) ny fampiasana mikrô-invertera, ka ny tambazotra no mibaiko sy mandrindra ilay fitempo sy hatetiky ny fiherenana.

Satria tsy mifandray mivantana toy ny an'ny invertera tambabe ny takelaka ao anaty vondrona dia azo trandrahana tsara ny tanjaka mafin'ny takelaka tsirairay. Raha misy takelaka takon'ny aloka dia ny tanjak'iny ihany no mihena fa izay tsy maloka mamokatra izay tanjaka mafy takany.

Mpitrandraka tanjaka (power optimizer)

Ny lafy tsaran'ny invertera tambabe sy ny mikrô-invertera no naravona amin'ny fametrahana mampiasa mpitrandraka tanjaka.

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
power optimizer isaky ny takelaka ary atohy amin'ny invertera tambabe iray

Tsy dia invertera loatra ny anarany raha ny asany satria tsy mamadika rianaratra mikararana ho rianaratra miherina izy ity. Izany tokoa: kôntrôlera MPPT (DC-DC) madinika ary apetraka isaky ny takelaka ny mpitrandraka tanjaka, ary mamoaka izay tanjaka mafy avy amin'ny isan-takelaka. Atambatra sy ampidirina amin'ny invertera tambabe ireo rianaratra mikararana ireo ary io invertera tambabe io no mamadika ho rianaratra miherina (DC-AC).

Madinika sy fisaka ny mpitrandraka tanjaka ka azo araikitra tsara ao ambadiky ny takelaka. Mora noho ny fametrahana mampiasa mikrô-invertera izy ity satria taka-bidy kokoa ny mpitrandraka tanjaka ary tsy mila tariby hafa toy ny an'ny mikrô-invertera fa toy ny ampiasain'ny takelaka-kôntrôlera ihany.

Ny filatsaky ny tanjaky ny takelaka mahazo maloka dia tsy misy fiantraikany amin'ny tanjaky ny takelaka hafa satria ny mpitrandraka tanjaka (izay tsy inona fa kôntrôlera MPPT kely) dia mamoaka foana izay tanjaka mafy isan-takelaka. Mety kokoa amin'ny vondron-takelaka amin'ny fametrahana vaventy ny mpitrandraka tanjaka.

Fiarovana

Toy ny fametrahana elektrika rehetra dia mila fiarovana ihany koa ny fametrahana solâra. Ny singa enti-miaro ny fitaovana no resahana eto. 

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
(5) mpanapa-tena

Ny fiarovana voalohany dia ny fandrindrana ny fitaovana rehetra hifanaraka tsara ny toetra teknikany, ka izay avoakan'ny iray teo aloha dia zakan'ny iray manaraka.

Toy izany koa ny savaivon'ny tariby mampitohy ny fitaovana tsirairay mba hahazaka ny vaikanaratra mikoriana mandritra ny fotoana rehetra ampiasana azy. Ny tariby no isan'ny fitaovana voalohany arovana mba tsy hafana loatra ka hitsonika na hirehitra.

Ny fitaovana enti-miaro tsotra nefa ampy sy afaka misoroka ny fahavoazan'ny fitaovana nohon'ny vaikanaratra mihoatra dia ny mpanapa-tena toy ny fusible (fuse) na coupe-circuit (circuit breaker).  Izany tokoa! Tsy mampiova izay fiasan'ny fitaovana na mampitombo ny sanda-mahefa ny mpanapa-tena fa manajanona ny fikorianan'ny aratra rehefa mihoatra ny fetra ny vaikanaratra.

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
mpanapa-tena DC 32A, 1000V

Ny mpanapa-tena fiarovana resahana eto dia izay natao ho an'ny rianaratra mikararana (DC) koa FADIO ny mampiasa mpanapa-tena ho an'ny rianaratra miherina (AC). Ho an'ny fametrahana tsotra dia ny fetran'ny rianaratra (ohatra 32VDC) sy ny vaikanaratra (ohatra 10A) dia ampy. Ho an'ny fametrahana matotra sy mavesatra kosa dia misy toetra hafa amboniny araka izay fenitry ny fiarovana. Toy izany ohatra ny hafaingan'ny fanapahana, maripàna, fetra fitsonihana, lalàna sns. 

Raha vaikanaratra (A) no kajiana eto dia mila arahina ihany koa ny fetran'ny rianaratra (V) araka izay avoaka sy zakan'ny fitaovana.

Apetraka araka izay mety akaikin'ny loharanon'ny vaikanaratra ny mpanapa-tena. Misy toerana telo mila ametrahana mpanapa-tena:

eo anelanelan'ny takelaka sy ny kôntrôlera

Voalohany, mila mahazaka ny rianaratra sy ny vaikanaratra avoakan'ny takelaka ny kôntrôlera. Faharoa miankina amin'ny vaikanaratra avoakan'ny takelaka na vondron-takelaka ny fetran'ny mpanapa-tena. Averina ihany fa mitovy daholo ny vaikanaratra raha mitandahatra ny filahatry ny takelaka ao anaty vondrona (serie), ary atambatra kosa ny vaikanaratra avoakan'ny takelaka tsirairay raha mirazotra izany (parallel). Asiana 20% bahana, na izay toromarika omen'ny mpanamboatra, ary izay fetra manakaiky misy eo amin'ny tsena no fidiana.

ohatra #1 - takelaka iray mamoaka vaikanaratra 8A

fetran'ny mpanapa-tena = 8A * 1.20 = 9.6A ary azo ampiasaina ny 10A eo amin'ny tsena.

ohatra #2 - takelaka telo mamoaka vaikanaratra 8A tsirairay milahatra mirazotra ao anaty vondrona

fetran'ny mpanapa-tena = 8A * 3 * 1.20 = 28.8A ary azo ampiasaina ny 30A na 32A eo amin'ny tsena.

eo anelanelan'ny kôntrôlera sy ny bateria

Ny vaikanaratry ny kôntrôlera eto no mamaritra ny fetran'ny mpanapa-tena. 

ohatra #3: raha 30A no tondroin'ny kôntrôlera, dia mpanapa-tena 30A no apetraka

eo anelanelan'ny bateria sy ny invertera

Na dia efa misy fiarovana anatiny aza ny invertera dia tsara ihany ny manisy mpanapa-tena manakaiky ny bateria. Ny invertera araka izany no mamaritra ny vaikanaratra miditra ao aminy ary mila mifanaraka amin'izay ny fetran'ny mpanapa-tena. Ny kajy tsotsotra azo atao dia izao:

ohatra #4: invertera manana tanjaka mitohy (continuous watts) Pc = 2000W mandeha amin'ny bateria Ubat = 12V

fetran'ny mpanapa-tena = (Pc / Ubat) * 1.20 = (2000W / 12V) * 1,20 = 200A

(*) Efa rianaratra miherina AC no mivoaka ny invertera ary azo ampiasaina ny mapanapa-tena mifanaraka amin'izany. Miankina amin'ny tanjaka zakan'ny invertera sy ny fitaovana ahodina ny fetran'ny mpanapa-tena apetraka ho fiarovana.

Onjan'ny rianaratra

Misy sokajy telo ny invertera araka ny bikan'ny onjan'ny rianaratra miherina avoakany.

Ombam-pivohitra tena izy ( Pure Sine, Pure Sinus)

Miolika toy ny bikana ombam-pivohitra malama tsara ny onjan'ny herina avoakan'ity sokajina invertera ity. Be filirony ny safelika elektrônika ary lehibe sy mavesatra noho ny fisian'ny hodina tariby ao anatiny ahazoana ilay bika miolika. Mbola lafo aloha hatreto ny vidiny raha mitaha amin'ny hafa ary atao doka arendrarendra ety ivelany mihitsy ny famantarana fa Pure Sine na Pure Sinus ny onja avoakany.

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
invertera Pure Sine , Pure Sinus

Mitovy tanteraka amin'izay avoakan'ny tambazotra efa misy ny rianaratra avoakan'izy ity ka azo ampiasana amin'ny karazana fitaovana rehetra.

Onja Sokera (Square Wave)

Mahitsy miendrika efa-joro ny onjan'ny herina avoakan'ny invertera amin'ity sokajy ity. Tsotra ny safelika elektrônika ao anatiny ka azo fehezina ny habeny. Ity sokajy ity no mora indrindra amin'ny invertera ary heverina ho onja sokera avy hatrany rehefa tsy misy famantarana na filazana hafa ety ivelany na amin'ny bokiny.

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
invertera Square Wave

Misy karazana fitaovana tsy mety loatra amin'ny invertera mamoaka onja sokera. Mety mandeha ireo fitaovana ireo kanefa misy akony hafa ary tsy hateza satria tsy namboarina handeha amin'izany. Ny fitaovana misy hodina tariby toy ny môtera na kômpresera elektrika (vata fampangatsiahana, milina fanjairana, mikrô-ondy, sns) ohatra dia mora mafana. Toy izany koa ireo fitaovana mampiasa transfôrmatera.

Mety tsara kosa anefa amin'ny fitaovana mampiasa ny teknika atao hoe switch-mode power supply na alimentation à découpage toy ny kômpiotera, fahitalavitra fisaka, famahanana finday sns ity sokajy ity.

Ombam-pivohitra novaina (Modified Sine, Sinus Modifié)

Onja sokera notefena hanahaka ny fiolika ombam-pivohitra no bikan'ny onja amin'ity sokajina invertera ity. Safelika elektrônika hita amin'ny onja sokera no natsaraina nahazoana ilay kitohatohatra manaraka ombam-pivohitra.

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
invertera Modified Sine, Sinus Modifié

Mora noho ny Pure Sine izy ity ary atao doka ety ivelany ny hoe Modified Sine na Quasi-Sine mba hisarihana ny maso (na hahalafo azy noho ny Square Wave) kanefa mila mitandrina fa tsy fantatra izay tena endriky onja avoakany. Misy ny manakaiky ny Pure Sine, nefa betsaka koa ny tsy mifanalavitra amin'ny Square Wave.


Print Friendly and PDF