A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
(2) kôntrôlera

Kôntrôlera (solar charge controller)

Ny kôntrôlera dia ilay fitaovana miahy sy mitily ny fomba famahanana ny bateria, na inona na inona loharanon'ny herinaratra mpamahana (fôtôvoltaika, eôliana, hidrôlika, solika, tambazotra sns.).

Manana ny lanjany manokana ny kôntrôlera satria izy no miantoka ny "fahasalamana" sy fahatezan'ny bateria ary miantoka koa ny fitrandrahana feno ny tanjaka avy amin'ny takelaka sôlara. Mila mifanaraka tsara izany ny toetra teknikan'ny takelaka sy ny kôntrôlera ary ny bateria. 

Ny kôntrôlera ihany koa no isan'ny fototry ny fanitarana any aoriana ka afaka maka bahana dieny vao manomboka raha misy ny enti-manana.  Ny fifantenana ny kôntrôlera araka izany no mamaritra ny fiverenan'ny masonkarena.


Ireto no tena asa fototry ny kôntrôlera:

  • mandrafitra sy mametra ny riananaratra mikararana avy amin'ny takelaka ho rianaratra mikararana (DC-DC) ahazoana mamahana bateria (na ampiasaina mivantana amin'ny fitaovana efa voafantina amin'izany);
  • misakana ny vaikanaratra tsy hiverina any amin’ny takelaka PV: rehefa mihena ny taratry ny masoandro voavadika ho herinaratra (rehefa maizina ny andro ohatra) dia mety ho latsaka ny elanelana araka aratra eo amin’ny takelaka raha mitaha ny eo amin’ny bateria, ary lasa misintona ny vaikanaratra avy any amin’ny bateria indray ny takelaka PV. Mba isorohana io tranga io, ny kôntrôlera dia mamela ny vaikanaratra ikoriana avy any amin’ny takelaka PV mankany amin’ny bateria fa misakana kosa izay miverina;
  • miahy ny bateria tsy iaritra fahana mihoatra avo na ela loatra (jereo eto ny traikan’ny fahana mihoatra): misy sandam-pahana apetraka rehefa mamahana bateria ka tsy ho feno fahana mihitsy ny bateria raha latsaka io sanda io, ary hisedra ny fahana mihoatra avo kosa raha mihoatra io sanda io. Rehefa feno fahana ny bateria kanefa mbola mitohy ny famahanana amin’ny sandam-pahana sahaza, dia misy entona ôksizena sy hidrôzena miforona ary mampiakatra ny tsindry ao anaty bateria (io ilay mampibontsina bateria). Manimba bateria io toe-javatra io ary tsy mampateza azy raha maharitra ela loatra. Ny kôntrôlera izany dia mandrefy ny fahana ka mampihena ny sandam-pahana rehefa feno ny fahana ary mampiakatra ny sanda raha latsaka ny fahana.
A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
kôntrôlera EPEVER (sary: EPEVER).

Misy koa anefa asa hafa ataon’ny kôntrôlera, indrindra ireo avo lenta:

  • miambina famahanana ( control set point): misy roa ny ambenana. (1) hafanana: mitombo maripàna ny bateria rehefa fahanana ka ahena ny fahana rehefa mihoatra ny fetra io maripàna io. Ny kôntrôlera avo lenta dia manana mpitily hafanana ( censor, capteur) ka ny sasany dia atao iray toerana mitovy hafanana amin'ny bateria fahanana, ny hafa kosa dia araikitra amin'ny bateria amin'ny alalan'ny tamba-tariby. (2) karazan'ny bateria: ny kôntrôlera matsilo koa dia mitily ny karazan'ny bateria fahanana ary manana fandaharana amin'ny fahana ampiasaiana arka izay bateria fahanana. 
  • mampiseho amin'ny efijery ny toetry ny famahanana, ny fahana, sns

Misy karazany roa ny kôntrôlera fampiasa ary voafaritra araka ny teknika fiasany:

Fandasirana ny faharetan’ny tepo (Pulse Width Modulation - PWM)

Ny PWM dia teknika fampiasa tamin’ny olika mibaiko sy mampitombina ny fihodina môtera, ary mifototra amin’ny fanapatapahana matetika na mahalana ny angovo mamahana ny bateria arakaraka ny hahavon'ny fahana. Ny heba (amplitude - A) sy faharetana (mark - M) ary fiherin'ny famahanana (period - T) no mamaritra ny fiherin'ny famaranana (signal duty cycle  SDC% = M / T) izay miankina amin’ny hahavon’ny rianaratra eo amin’ny bateria: ambony ny SDC rehefa mbola iva ny fahan'ny bateria, ary mihena kosa izany rehefa manakaiky ny fetran'ny fahana. Toy izany koa ny heba A fa tsy mihoatra ny rianaratra famahanana ny bateria.

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
kôntrôlera PWM 12V/24V Auto 20A
A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
PWM: fiherin'ny famahanana (SDC)

sary: ScienceDirect

Ny kôntrôlera PWM dia “mampitohy” mivantana ny takelaka PV sy ny bateria. Ny ahavon’ny rianaratra eo amin’ny bateria izany no mamaritra koa ny ahavon'ny rianaratra avoakan'ny takelaka rehefa "mitohy" ny bateria sy ny takelaka ka mandeha ny fahana. Samy mitazona ny ahavony kosa rehefa "tapaka" ilay fahana.

Lesoka iray eo amin'ny teknika PWM io "fitohizan'ny" takelaka sy ny bateria mivantana io. Izany tokoa!!! Satria ny vaikanaratra dia izay omen'ny takelaka, fa ny rianaratra kosa dia baikon'ny bateria, noho izany misy very fona ny tanjaka omen'ny takelaka. Mihabetsaka io tanjaka very io rehefa manana rianaratra ambony ny takelaka.

PWM vs. takelaka 36 sy bateria 12V
tanjaky ny takelaka 36: 18V * 5.56A = 100W
kôntrôlera: PWM
fahana: 13V (bat.) * 5.56A (tak.) = 72W
tanjaka very: 28W (28%)
PWM vs. takelaka 72 sy bateria 12V
tanjaky ny takelaka 72: 36V * 2.78A = 100W
kôntrôlera: PWM
fahana: 13V (bat.) * 2.78A (tak.) = 36W
tanjaka very: 64W (64%)

Tsotra, mora vidy, ary mora hita ny kôntrôlera PWM ary azo ampiasaina tsara rehefa tsy mifanalavitra loatra ny rianaratry ny takelaka sy ny bateria mba ho kely ny tanjaka very. Mety amin'ny filàna maivana sy tsotra araka izany ny PWM.

Fanarahana ny faratampon’ny tanjaka (Maximum Power Point Tracking - MPPT)

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
kôntrôlera MPPT Victron

Somary be filirony ny elektrônika amin'ny kôntrôlera MPPT ary tsara sanda-mahefa raha mitaha amin'ny PWM. Tsy "mampitohy" mivantana ny takelaka sy ny bateria ny MPPT fa mampiasa kosa kônvertera DC-DC baikon'ny mikrôprôsesera, izay mitrandraka hatrany ny faratampon'ny tanjaka avoakan'ny takelaka, na mibaliaka andro na maloka andro (Pmax = Umax * Imax). Io faratampon'ny tanjaka io no amahanana tsy misy very ny bateria.

Mety tsara izany ny famahanana bateria amin'ny MPPT na dia misy elanelana be aza eo amin'ny rianaratry ny takelaka sy ny bateria. Ary aleo mihitsy aza izay satria zara raha misy very ny tanjaka.

MPPT vs. takelaka 72 sy bateria 12V
Rianaratra, Vaikanaratra, sy Tanjaka avoakan'ny takelaka

Eo amin'ny takelaka:

  • kôntrôlera: MPPT
  • rianaratra Um: 36V
  • vaikanaratra Im: 2.78A
  • tanjaka: Um * Im = 100W
Rianaratra, Vaikanaratra, sy Tanjaka tonga amin'ny bateria

Eo amin'ny bateria:

  • kôntrôlera: MPPT
  • rianaratra Ubat: 13V
  • vaikanaratra Ibat: 7.69
  • tanjaka: Um * Im = 99.97W
  • tanjaka very = 0.03W

Lafo ny MPPT raha mitaha amin'ny PWM saingy efa midina kosa ny vidiny noho izy efa miparitaka sy be mpamboatra. Atao karazana doka mirentirenty mihitsy ny soratra MPPT kanefa aleo manamarina ihany alohan'ny hividianana, indrindra rehefa tsy fantatra ny marika. Misy karazana lefa sy asa maro vitan'ny MPPT ary isan'ny mampiakatra ny vidiny ireny. Azo atao ohatra ny manaramaso ny toetrany sy ny fiasany amin'ny alalan'ny finday na kômpiotera.

Fampiasa amin'ny fametrahana matotra, na matanjaka sy avo lenta ny MPPT, ary mila fantenana tsara, indrindra raha mieritreritra ny hanitatra ny fametrahana any aoriana.

Controller Load Output

Fantatra koa amin'ny hoe Low Voltage Disconnect (LVD) ary matetika atohy amin'ny sarina takamoa eo amin'ny bokiny , ny Load Output dia ilay tsatoka na varombo fahatelo eo amin'ny kôntrôlera (aorian'ny tsatoky ny takelaka sy ny an'ny bateria) ary manome 12V. Ny ankamaroan'ny kôntrôlera sy amin'ny fametrahana tsotra dia vesatra maivana izay zakan'ny toetrany toy ny jiro LED vitsivitsy no apetraka eo. Amin'ny fitaovana avo lenta sy fametrahana matotra kosa dia ampiasaina hitiliana sy hifehezana ny vesatra ampiasaina na ny fahan'ny bateria amin'ny alalan'ny fanapahana ny aratra. Azo atao tanana na  voafaritra dieny mialoha izany fanapahana izany. Ohatra ny famonoana jiro rehefa mazava sy fampirehetana indray rehefa hariva amin'ny fanohizana mpitily hazavana; fampitsaharana ny fampiasana rehefa latsaky ny fetra ny fahan'ny bateria amin'ny alalan'ny mpampita ( relais); sns.
Vesatra maivana no atsatoka eo amin'ny Load Output araka izay toetra teknikan'ny kôntrôlera ary tsy azo anatsatohana inverter. 


Print Friendly and PDF