A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.

Kajy fampiharana

Rehefa vita ny kajy ekônômika amin'izay loharanon'ny herinaratra ilaina ary mazava fa fametrahana sôlara no vahaolana maharitra sy taka-bidy, dia afaka miroso amin'ny kajy tekinika atao hifantenana ny fitaovana ilaina. Ny kajy hafa toy ny fitanterana, fametrahana sns. kosa dia mbola amboniny ary mila atambatra amin'ny kajy farany.

Izay vidiny mipetraka eto dia tombana teo amin'ny tsena tamin'ny fotoana nanoratana ny pejy ary mila mampitaha satria dia misy elanelana be mihitsy na dia marika sy môdely mitovy izao aza.   


Fametrahana  misaraka amin'ny tambazotra

Ny fametrahana maivana lazaina eto dia ireo izay vahaolana amin'ny filàna tsotra andavan'andro ao an-tokantrano ary misaraka amin'ny tambazotra. 

Mila manao fantina vitsivitsy ihany rehefa manao kajy fa ankoatry ny toetra teknika sy ny vidiny, dia miankina be dia be amin'izay fitaovana misy eo amin'ny tsena koa ny fantina.

Amin'ny ohatra eto ambany dia heverina fa:

  • midanika mandritra ny 6 ora farafahakeliny isan'andro mandritra ny taona ny masoandro;
  • bateria afaka mandany fahana hatramin'ny 60% isan'andro ( DoD) (mbola lafo ny bateria tsara kalitao mahavita izany, ka raha tsy azo antoka izay misy eo an-toerana dia aleo mampiasa 40% farafahabetsany);  
  • fizakan-tena ( autonomy): 1 andro (toy ny eo ambony dia mbola lafo ny bateria mampiasa litiôma izay mahazaka fahana & fandaniam-pahana isan'andro). Azo atao tsara ny mametra ho 2 na 3 andro ny fizakan-tena saingy mampitombo ny isan'ny bateria ilaina izany. 
  • ahafahana mamahana feno ny bateria io masoandro mandritra ny 6 ora io;

1 - Tanjaka ilaina

Ny fanombanana tanjaka ilaina no faritana voalohany ary araka ny fitaovana sy ny faharetan'ny fampiasana io fitaovana io no ahafantarana ny filàna isan'andro.

Ny tanjaka misoratra amin'ny fitaovana elektrika sy elekrônika dia azo anombanana ny tanjaka ilaina. Milaza ny salany amin'ny fampiasana mandritra ny ora iray izy io. Misy fotoana izany mihoatra (indrindra ny môtera vao ihodina) na latsaka (laptôpy feno fahana ohatra). 

Azo ampiasaina koa ny fanjifana KWh misoratra amin'ny faktioran'ny jiro isam-bolana.

(*) misy hodina tariby; (**) raha fitaovana namboarina 12V, 24V, na 48V natao handeha amin'ny masoandro dia apetraka mivantana amin'ny kôntrôlera
# Fitaovana (230V) Tanjaka (a)  Fampiasana (b) Totaliny (d)
1 Jiro LED (rehetra) 80 W 5 ora 400 Wh
2 Vata fampangatsiahana (*)(**) 100 W 8 ora 800 Wh
3 Milina fanjairana (*) 70 W 2 ora 140 Wh
4 TV fisaka 40 W 4 ora 160 Wh
5 Radio / CD 20 W 5 ora 100 Wh
6 Laptôpy 80 W 4 ora 320 Wh
7 Paompin-drano (*)(**) 500 W 1 ora 500 Wh
8 Samihafa 40 W 5 ora 200 Wh


930W 2,620 Wh

2 - Invertera

Ny tambatry ny tanjaka rehetra isan'ora (a) no mamaritra ny tanjaka ilaina amin'ny invertera. Raha heverina fa miaraka mandeha amin'ny fotoana iray daholo ny fitaovana rehetra dia 930W ny tambatry ny tanjaka trohany mandritra ny ora iray. Salany io ka mila maka bahana 20% hatramin'ny 50% arakaraka ny fitaovana. Invertera manana tanjaka mitohy (continuous power) 1,395W (930W*1.5) farafahakeliny araka izany no ilaina

  • invertera manome tanjaka mitohy 2,000W na 2KW (tanjaka fambosiana - surge 4KW) dia ahafahana manana bahana tsara sy manampy fitaovana; 
  • satria misy fitaovana mampiasa hodina tariby (kômpresera, môtera etc.), dia invertera mamoaka rianaratra miendrika ombam-pivohitra tena izy ( pure sine, pure sinus) no azo antoka kokoa (azo atao tsara kosa ny mampiasa square wave raha fitaovana tsy misy hodina tariby);
  • 12V na 24V dia mety ary miankina amin'izay ny bateria sy ny kôntrôlera
  • raha atao hoe 85% ny sanda-mahefan'ny invertera dia 2400W izany ny tanjaka ilainy ahazoana manome tanjaka mitohy 2000W (2KW / 0.85 = 2.4KW) ao anatin'ny ora iray.

3 - Bateria

Ny tambatry ny tanjaka rehetra mandritra ny faharetan'ny fotoana iasan'ny fitaovana (b), (d) sy ny halalin'ny fandaniam-pahana no mamaritra ny fiatin'ny bateria ilaina eto . Eto dia 2,620Wh izany tambatra izany ary raisina ho 60% ny DoD (*).

  • etsy andaniny raha miara-mandeha daholo ny fitaovana dia ao anatin'ny 8 ora ny fisian'ny fitrohana tanjaka ambony indrindra amin'ny tambatry ny  vaikanaratra mikoriana. Amin'ny bateria 12V dia 220A ny fitambaran'izany vaikanaratra izany raha ilay 2,620W no fototry ny kajy . ;
  • vaikanaratra isan'andro(A) = tanjaka isan'andro(W) / rianaratry ny bateria(V)
  • vaikanaratra(A) = 2620W / 12V = 220A (110A kosa raha bateria 24V)
  • Noho izany mila bateria mamoaka vaikanaratra 220A (110A raha 24V) amin'ny sandam-mandaniam-pahana ( C-Rate) 8 ora farafahakeliny (satria tsy voatery miara-mandeha ny fitaovana)
  • etsy ankilany, rehefa voatroka ilay tanjaka 2620W afaka 8 ora dia tsy tokony ho ritra tanteraka ny fahan'ilay bateria maba hahateza azy, ary indrindra mba ahazoana mamahana azy feno ho amin'ny andro manaraka. Raha raisina ho 60% ny halalin'ny fandaniam-pahana ( DoD) dia mila bateria manana fiaty 5.2KWh izany ;
  • Bateria(Wh) = [Tanjaka isan'andro(Wh) * fizakan-tena(andro) / sanda-mahefa(%)] / DoD
    Bateria(Wh) = [(2620 * 1) / 0.85] / 0.60 = 5.2KWh
  • izany fiaty 5.2KW izany dia azo avy amin'ny fampiombonana bateria iray na maromaro. Ireto misy ohatra:
    • 2 * bateria 24V, 110A (2 * 24V * 110A = 5.3KW) (invertera 24V);
    • 4 * bateria 12V, 110A (4 * 12V * 110A = 5.3KW) atohy mirazotra (invertera 12V);
    • 3 * bateria 12V, 150A (3 * 12V * 150A = 5.4KW) atohy mirazotra (invertera 12V)
    • sns.

(*) Vitsy karazana sady mbola lafo ny bateria mahazaka DoD mihoatra ny 60% isan'andro ary tsy mampateza bateria izany. Rehefa tsy azo antoka ny toetran'ny bateria dia aleo manombana DoD 40% farafahabetsany mba hampateza azy.

4 - Takelaka

Ireto izany no mpihazaka sy kajy mamaritra izay toetra teknika takiana amin'ny takelaka:

  • heverina fa midanika tsara ny masoandro manomboka amin'ny 10 ora maraina ka hatramin'ny 4 ora tolakandro ary ahazoana angôvo ampy ilaina amin'ny famahanana bateria, izany hoe maharitra 6 ora ny famahanana;
  • bateria 5.2KWh lany fahana hatramin'ny DoD 60% no ho fahanana feno, izany hoe fahana 3.12KWh (5.2KWh * 0.60) no mila fenoina ao anatin'ny 6 ora;
  • araka izany dia tanjaka 520W isan'ora no ilaina amin'ny takelaka (3.12KWh / 6h = 520W);
  • izany tanjaka 520W izany dia azo avy amin'ny vondrona misy takelaka vitsivitsy. Ireto misy ohatra:
    • 2 * mônokristalina 72 280W (2 * 260W = 560W): atohy mirazotra; mety amin'ny bateria 12V sy 24V;
    • 2 * mônôkristalina 60 270W (2 * 270W = 540W): atohy mirazotra; mety amin'ny bateria 12V;
    • 3 * mônôkristalina 36 180W (3 * 180W = 540W): atohy mirazotra; mety amin'ny bateria 12V;
    • 1 * mônôkristalina 96 550W : fametraka amin'ny bateria 24V;
    • sns.

Mila miaraka ny safidy amin'ny takelaka sy ny kôntrôlera. Noho izany dia mila fantina vitsivitsy amin'ny karazana takelaka araka ny kajy mba ahazoana mampitaha amin'izay kôntrôlera mety, mora sy misy eo amin'ny tsena.

5 - Kôntrôlera

Ireto indray ny mpihazaka sy kajy mamaritra ny fifantenana ny kôntrôlera:

  • ny tanjaky ny takelaka mety ho very: raha 28% ny tanjaka very amin'ny fampiasana kôntrôlera PWM amin'ny takelaka 36, midika ho 147W izany amin'ny takelaka manome 525W. Betsaka izany ka ny kôntrôlera MPPT so safidy eto;
  • rianaratry ny bateria: ny fenitra misy eo amin'ny tsena dia 12V, 24V ary 48V (mety ho iray ireo na natohitohy). Raha bateria 12V no nofidiana eto dia kôntrolera 12V izany no mety;
  • vaikanaratry ny takelaka (na vondron-takelaka): mila mahazaka ny vaikanaratra mafy indrindra avy any amin'ny takelaka ny kôntrôlera. Tondroina amin'ny Isc io vaikanaratra io amin'ny toetra teknikan'ny takelaka (ho an'ny vondrona dia atambatra ny  Isc rehetra raha mirazotra ny fanohizana ny takelaka, ary Isc an'ny takelaka iray no iraisana raha atohy mitandahatra). Toy izany koa ny rianaratra mafy indrindra izay tondroina amin'ny Voc. Amin'ireo ohatra teo amin'ny takelaka dia ireto ny vaikanaratra mifanaraka:
    • 2 * môno 72 280W atohy mirazotra: Isc = 2 * 8.35A = 16.70A / Voc= 45V
    • 2 * mônô 60 270W atohy mirazotra: Isc = 2 * 9.28A = 18.58A / Voc =38.40V
    • 3 * mônô 36 180W atohy mirazotra: Isc = 3 * 9.87A = 29.61A / Voc =23.90V
    • 1 * mônô 96 500W : Isc = 1 * 11.46A / Voc = 59.16V
    • sns.

Ny ankamaroan'ny kôntrôlera matanjaka eo amin'ny tsena dia mazahaka Voc=60V ka tsy olana loatra ny fifantenana. Eo amin'ny Isc kosa dia 10A, 15A, 20A, 30A, 40A sns. no misy. Mila mahazaka izay vaikanaratra nofidiana koa ny bateria fahanana.

Raha 24V ny bateria dia ilay vondron-takelaka "2 * mônô 72" no vahaolana. Raha 12V kosa dia ilay "2 * mônô 60" no tsara satria:

  • mora kokoa ilay takelaka 60 noho ny 72 nefa ny tanjaka tsy mifanalavitra;
  • mety mitovitovy vidy amin'ilay "3 * mônô 36" sy mitovy velarana, kanefa mora kokoa ny kôntrôlera 20A ilain'ilay 60 noho ny kôntrôlera 30A ilain'ilay 36. Raha mahatakatra 30A ihany dia afaka manampy takelaka 60 iray any aoriana. Ny fametrahana 36 koa mampitombo ny masonkarena, indrindra raha hanitatra any aoriana;

Fehiny, takelaka mônôkristalina 60 roa manana tanjaka 270W avy miaraka amin'ny kôntrôlera MPPT 12V, 20A dia ampy raha mampiasa bateria 12V (raha bateria 24V kosa dia ilay mônôkristalina 72 roa manana tanjaka 250W sy kôntrolera MPPT 24V, 20A).

Raha mihevitra ny hanitatra any aoriana ka misy ny enti-manana dia aleo miomana sahady amin'ny kôntrôlera 30A na 40A araka izay takatra sy ny filàna any aoriana.

singa isa vidiny (Ar) tambany (Ar)
invertera 1 800,000 800,000
12V DC - 230V AC 50Hz; Pure Sine Wave; 2000W continuous; 4000W surge
bateria 4 1,100,000 4,400,000
C20 @106Ah; C10 @ 100Ah; C5 @ 92Ah; 1200 cycles @ 60%; 410x172x225mm; 36Kg; 
takelaka 2 500,000 1,000,000
mônôkristalina 60 @ 270W; sanda-mahefa 17%; Imp 8.6A; Vmp 31.4V; Isc 9.28; Voc 38.4V; habe 165x99.2x4cm; lanja 19Kg; fahatezana 90%: 12taona; 80%: 25taona;
kôntrôlera 1 450,000 450,000
MPPT; 40A 12/24V Auto; max PV 100V; 228x164x55mm; 1.3Kg
tambany 6,650,000

Arakaraka ny toerana, dia mbola miampy ny vidin'ny fiarovana (mpanapa-tena, halatra, sns), ny tariby, saran'ny fitaterana sy fametrahana, sns. 

Fanontaniana matetika

Manome aratra ve ny takelaka na dia manjombona aza ny andro?
Eny. Manome herinaratra tokoa ny takelaka rehefa mahazo hazavana mitondra angôvon'ny masoandro. Tsy mitovy amin'ny danik'andro kosa anefa ny tanjany. Mety amahanana bateria ihany kanefa mety tsy ahafeno fahana.
Ahoana ny amokarana herin'aratra mandritra ny 24 ora?
Azo atao tsara ny manao fametrahana izay ahazoana mitrandraka mivantana ny takelaka amin'ny atoandro ary mampiasa bateria ny alina. Kajiana tsara kosa anefa mba ho misy ampahany amahanana bateria ny atoandro ary tsy ho lalina loatra ny DoD rehefa tonga ny maraina ka ho voafahana feno ny bateria mandritra ny andro.
Atao ahoana ny fitodiky ny takelaka mba ahazoana ny tanjaka mafy indrindra?
Arakaraka ny toerana, fa ny fitsipika tsotra dia izao: aty amin'ny ila bolantany atsimo dia mitodika any amin'ny tendro manetika avaratra ( north magnetic) no mety. Izany hoe eo amin'ny andrefana, avaratra andrefana, avaratra, avaratra atsinanana, ary atsinanana (mifanohitra amin'izay kosa raha any amin'ny ila bolantany avaratra izay mila mitodika any amin'ny tendro manetika atsimo). Miankina amin'ny tonon-taona (ririnina, lohataona sns...) sy ny andro (maraina, tolakandro sns...) koa ny fitodika tsara. Ny fanaperana izany dia arahina ireo fitodika ireo araka ny fipetraky ny masoandro amin'ny fotoana iray. Misy fametrahana miaraka amin'ny motera manitsy ny fitodiky ny takelaka saingy lafo izany. Azo atao kosa anefa ny manitsy indroa isan-taona ohatra (ririnina sy lohataona) saingy mila fametrahana manokana. Azo atao koa ny mijery izay salan'ny zoro ahazoana ny tanjaka avo indrindra mandritra ny fotoana maharitra araka ny faritra (jereo ny pejy fametrahana)
Ilaina ve ny mametraka diôda mpisakana (blocking diode)?
Ny diôda mpisakana dia misakana ny vaikanaratra avy amin'ny bateria tsy hiverina any amin'ny takelaka, rehefa maloka ny andro nefa feno ny bateria ohatra. Ilaina izy io amin'ny fametraha tsy misy kôntrôlera. Rehefa misy kôntrôlera kosa dia tsy ilaina intsony.
Azo apetraka mivantana amin'ny takelaka ve ny fitaovana?
Eny. Mila fitandremana kosa anefa satria miovaova araka ny taratry ny masoandro ny rianaratra avoakan'ny takelaka. Raha invertera no apetraka mivantana amin'ny takelaka dia mila vaikanaratra avo sy mitombona ka mila kajiana tsara ny tanjaka ambany indrindra avoakan'ny takelaka rehefa maloka ny andro, ary atao mifanaraka amin'izay izay ambany indrindra ilain'ny invertera.
Inona no fikarakarana mila atao amin'ny takelaka sôlara?
Mila madio ny faritra mitodika any amin'ny masoandro ary jerena matetika koa sao tafiditry ny rano na vovoka ny aty fefimerana.
Inona no olana matetika amin'ny fametrahana sôlara?
Ny takelaka tafiditry ny rano no olana matetika indrindra raha tsy misy tongilana tsara ny fipetrany. Ny fametrahana tsy mafy koa dia mampihetsika ny fefimerana rehefa tratry ny rivotra ka mahatonga ny takelaka hampidi-drano. Ny haben'ny tariby mitondra aratra takelaka-bateria-invertera koa matetika tsy mifanaraka amin'ny vaikanaratra miasa ka mahatonga azy hitsonika na hirehitra. Raha fantatra mialoha fa hanampy takelaka na bateria any aoriana dia aleo maka bahana dieny vao manomboka amin'ny haben'ny (savaivo) tariby. Mila mamerina kajy kosa ( sy manolo tariby raha ilaina) rehefa manampy takelaka na bateria.
Ilaina ve ny mametraka mpandrindra aratra (regulateur électrique)?
Ny mpandrindra aratra dia mitàna ny rianaratra tsy ho latsaka na hihoatra loatra ny fetra iray (12V +/- 0.5V ohatra). Mety amin'ny fitaovana sarotiny araka izany ny mpandrindra aratra. Ny kôntrôlera MPPT dia mahavita tsara ny asan'ny mpandrindra aratra. Tsara ho fantatra koa fa ny mpandrindra aratra dia mihinana tanjaka ary mila atao anaty kajy raha mampiasa azy.
Azo ampiasaina amin'ny fametrahana sôlara ve ny bateria amin'ny fiarakodia?
Ao anatin'ny sokajin'ny mpamelona haingana ( starting battery) ny bateria fampiasa amin'ny fiarakodia. Izany hoe manome tanjaka mafy mandritra ny fotoana fohy ihany, ary fahanana avy eo ka fotoana elaela indray vao ampiasaina. Tsy mety amin'izy ity ny fandaniam-pahana lalina manome tanjaka maivana na antonony mandritra ny fotoana ela ary fahanana matetika. Azo ampiasaina amin'ny fametrahana sôlara izy kanefa tsy hateza (am-bolana raha betsaka).

Loharanon-kevitra

  • All About Circuits
  • Alte Store
  • Aten Solar
  • Aussie Batteries
  • Batteries in a flash
  • Blue Sun
  • Civic Solar
  • Clean Energy Reviews
  • Energy Informative
  • Energy Sage
  • Epever
  • Greentumble
  • Home Power
  • Kenbrook Solar
  • Lifeline Batteries
  • National Renewable Energy Laboratory
  • New England Clean Energy
  • New Mexico State University
  • Northern Arizona Wind & Sun - Electricity
  • Off-Grid Europe
  • Photovoltaic Software
  • Samlex Solar
  • Solar Calculator
  • SolarCity Inc.
  • Solar Electricity Handbook
  • Solar Energy Facts
  • Solar Power World
  • Solar Reserve
  • SolarReviews
  • The Eco Expertsh
  • The Green Age
  • Victron Energy
  • Viridian Solar
  • WholeSale Solar

  • Print Friendly and PDF