A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
(3) bateria

Bateria

Azo atao tsara ny fametrahana vondrom-pitaovana sôlara tsy mila bateria raha amin'ny fotoana misy masoandro ihany no ilana azy (paompin-drano, mpanodina milina fiasana sns. ohatra). Ilaina kosa anefa ny bateria raha tiana ho tehirizina ny herinaratra tsy nampiasaina ary avoaka amin'ny fotoana ilana azy.

Ny fiatin'ny bateria no fototry ny fahazakana sy faharetan'ny fampiasana ny fitaovana elektrika, ary miantoka ihany ny koa ny faharetan'ny fahazakan-tenan'ny fametrahana rehefa tsy misy masoandro.

Faritana eto ireo toetra teknika sy kajy vitsivitsy tsara ho fantatra amin'ny fifantinana izay bateria ilaina amin'izay fitaovana aodin'ny fametrahana angôvo sôlara. Izany tokoa!! ny bateria no ivon'ny kajy araka ny filàna sy mamaritra ny tanjaky ny takelaka ilaina.


Toetra teknika

Ny bateria no fitaovana sarotiny indrindra satria mila fahanana sy laniana fahana araka ny toetra teknikany. Misy mpihazaka vitsivitsy tsara ho fantatra araka izany momba ny bateria eo amin'ny fifidianana sy ny fampiasana azy ho isan'ny vondrom-pitaovana sôlara:

Tanjaka (power)

Ny tanjaka dia refin'ny angovon'aratra avoakan'ny bateria amin'ny fotoana iray. Ireto no mamaritra ny tanjaka

  • U : rianaratra, refesina amin'ny vôlta (V)
  • I : vaikanaratra, refesina amin'ny ampera (A)
  • P: tanjaka, refesina amin'ny watt (W) = U*I

Ny bateria 12V, 100Ah ohatra dia afaka manome rianaratra 12V sy vaikanaratra 100A mandritra ny 1 ora (1h), ary manana tanjaka 1200W na 1,2KW.

Miankina amin'izay tanjaky ny fitaovana ahodiny araka izany ny tanjaka ilaina amin'ny bateria

Fiaty (capacity)

Ny fiatin'ny bateria iray dia ilazana izay habetsaky ny angôvo azony tahirizina sy ahodina mandritra ny fotoana voafaritra, ary refesina amin'ny KWh (kilowatt-hours).

Ilay bateria teo ambony izany dia manana fiaty 1,200Wh na 1.2KWh ka afaka manodina angôvo 1,200W (1.2KW) mandritra ny 1 ora (1h). Raha ny kajy teôrika dia azo atao koa hoe manodina angôvo 600W mandritra ny 2 ora, na 300W mandrintra ny 4 ora sns. Teôria ihany anefa izany satria tsy mahitsy araka izany ny fandaniam-pahana fa misy tanjaka very foana araka izay voafaritry ny sandam-pandiam-pahana (jereo eto ambany)

Azo atao tsara ny mampiasa bateria maromaro raha te hampitombo fiaty. Ny kajy amin'ny tanjaka ilaina (U, I) sy ny toetry ny kôntrôlera no mamaritra raha fitohy mitandahatra na miraizotra no mety. Eo ihany koa ny kajy amin'ny vidin'ny bateria iray be fiaty mitaha amin'ny vidin'ny bateria roa kely fiaty,

Sandam-pandaniam-pahana (C-Rate)

Mpihazaka mifamatotra amin'ny fiaty ny antsoina hoe sandam-pandiam-pahana (C-Rate) refesina amin'ny ora, io no mamaritra ny vaikanaratra mety tsara amin'ny fandaniam-pahana sy ampiasaina amin'ny fitaovana.

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
toetra teknikana bateria AGM

sary: Victron Energy

Ilay bateria 12V, 100Ah manana C-Rate 20h ohatra dia midika fa fandaniam-pahana mandritra ny 20 ora no tena mety amin'ilay bateria amin'ny vaikanaratra 5A (100Ah / 20h). Raha tsy mihoatra ny 5A izany ny fitambaran'ny vaikanaratra ilain'ny fitaovana ampiasaina dia azo antoka ny fandehanany mandritra ny 20 ora.

Ankoatry ny tanjaka dia miakina amin'ny faharetan'ny fotoana ampiasana fitaovana koa izany ny fifidianana bateria ampiasaina.

Halalin'ny fandaniam-pahana (Depth of Discharge - DoD)

Ny halalin'ny fandaniam-pahana dia ny ampahan'ny fiaty azo ampiasaina mba hitahirizana ny hatezan'ny bateria. Izany tokoa: noho ny toetra simikany dia tsy azo laniana tanteraka ny bateria raha tiana hateza fa asiana ambiny foana ary rehefa tafidina amin'io fetra io dia fahanana ilay bateria.

Refesina amin'ny isan-jato (%) ny DoD ka raha tolorana ho 90% ny halalin'ny sandam-pahan'ilay bateria eo ambony dia 1080Wh izany no farany azo laniana dia fahanana indray.

Ny kôntrôlera sy ny invertera avo lenta dia mazàna mitily ny karazana sy ny fahan'ny bateria, ka raha vao tojo io fetra io dia mijanona tsy mitroka ny herinaratra intsony.

Tsara izany izay bateria manana DoD avo. Ny doka milaza fa 100% aloha hatreto dia mijanona ho doka ihany fa latsaka foana ny tena izy.

Sanda-mahefa (efficiency)

Ny sanda-mahefa dia ny ampahan'ny angôvo avoakan'ny bateria raha mitaha amin'ny angôvo namahanana azy.

Refesina amin'ny isan-jato (%) ny sanda-mahefa ka raha 1200W no namahanana azy kanefa 960W ihany no avoakany dia 80% izany no sanda-mahefany.

Tsara koa izany izay manana sanda-mahefa avo ary fitaka ihany izay doka milaza fa manana 100% sanda-mahefa.

Isan'ny fahana/fandaniam-pahana (charge/discharge cycles)

Ny isan'ny fahana/fandaniam-pahana no isan'ny mamaritra ny fahatezan'ny bateria. Io fahatezana io dia ny halavan’ny fotoana ahazoan’ny bateria mitazona fahana feno isaky ny avy fahanana. Io koa matetika no antoka (warranty) arantirantin'ny manamboatra.

Ny bateria mitazona 70% fiaty mandritra ny 1000 cycles fahana/fandaniam-pahana isan'andro ohatra dia mihena 30% ny fiatiny afaka telo taona. Miankina be amin'ny kalitao, ny kôntrôlera, ary ny fikarakarana koa anefa io fahatezana io.

Misy fifandraisany araka izany ny isan'ny fahana (cycle) sy ny halalin'ny fandaniam-pahana (DoD) fa mihena ny cycle rehefa lalina loatra ny DoD. Raha 60% midina 90% ny halalina ohatra dia mihena 360 ny cycle, izany hoe mihena 360 andro ny fahatezan'ny bateria fahanana isan'andro.

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
sary: CivicSolar

Karazana bateria

Misy karazany maro ny teknôlôjia nanaovana ny bateria, ary hazavaina any amin'ny pejy hafa ny votoaty teknika. Tsorina eto kosa izay tsara ho fantatra momba ireo fahita eo amin'ny tsena sy ny fampiasana azy eo amin'ny fametrahana sôlara.

Firaka milona asidra notapohina (Flooded Lead Acid - FLA):
A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
firafitry ny bateria FLA

sary: Off-Grid Europe

Bateria efa ela teo amin'ny tsena sy fampiasa indrindra hatreto ny FLA noho izy mora vidy raha mitaha amin'ny tanjany. Mila fikarakarana matetika kosa anefa noho ny fientonana mandritra ny fahana ka mila tampohina rano tsy ho ritra. Noho io fientonana io koa dia mila toerana misokatra sy misy rivotra ny fampiasana azy. Tsy azo atongilana ny fipetrany fa mora mitete. Fampiasa amin'ny filàna fandaniam-pahana marivo sy mandritra ny fotoana fohy ny FLA ( Starting Battery) toy ny famelomana môterana fiara. Tsy mateza amin'ny fametrahana sôlara (DoD mihoatra ny 50% sy fahana isan'andro) araka izany ny FLA. Raha mora sy tsy manahirana kosa ny fikarakarana (fanampohana rano sns.) dia azo ampiasaina tsara amin'ny fitaovana sôlara rehefa mifanaraka amin'ny kajy ny toetra teknika.
Valve Regulated Lead Acid - (VRLA)
Mampiavaka ny VRLA izy voarindra anaty fono mahatanty tsindry avo sy misy valva fiarovana raha mafy loatra ny tsindry vokatry ny entona miforona. Tsy  mitete na mitongilana aza ary tsy mila fikarakarana toy ny fanampohana rano. Fampiasa amin'ny filàna fandania-pahana lalina sy miadana ny VRLA ( Deep Cycle), ary mety kokoa amin'ny fametrahana sôlara (DoD mihoatra ny 50% sy fahana isan'andro). Somary lafo kosa anefa raha mitaha amin'ny FLA. Misy karazany roa lehibe ny VRLA:

Absorbent Glass Mat (AGM): avonto bônetra manify vita amin'ny fibrana vera ny asidra eto ary atao feno 95% ka tsy hatahorana hitete fa fihinin'ilay bônetra. 

A generic square placeholder image with rounded corners in a figure.
bateria AGM (sary: Lifeline Batteries)

Gel: avongana ho bonga (gel) eto ny elektrôlita ary tsy atahorana hitete. 

Litiôma
Ny bateria mampiasa litiôma dia kely sy maivana raha fiaty mitovy amin'ny FLA na VRLA. Manana fiaty sy sanda mahefa avo, cycle maharitra, ary mateza ny litiôma ary tena tsara amin'ny filàna amin'ny fametrahana sôlara. Mbola lafo kosa anefa ny vidiny ary mampiakatra ny masonkarena ka mila lanjalajaina tsara ny enti-manana  


Print Friendly and PDF